Famahana ny olana ateraky ny ahidratsin-drano ao Nepal

Image via Nepali Times. Used with permission.

Sary avy amin'ny Nepali Times. Nahazoana alalana.

Navoakan'i Viola Bordon tao amin'ny Nepali Times voalohany ity tantara ity. Navoaka Global Voices indray ny dika nasiam-panitsiana ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Karazan-javamaniry mora mameno ny ranon'i Nepal ny “tsikafon-dava” (Pontederia crassipes fa noforonin'ny mpandika an-tsoratra ilay anarana satria lava taho izy) avy any Amazonia (Amerika Atsimo). Ankehitriny, nahita fomba vaovao hampiasana ny tsiraka ao aminy ny vondrona asa-tanana Nepali iray hamadika azy ho fanaka ilaina andavanandro azy ao an-trano.

Fitaovan'ny mpanjifa efa voaentana ara-tontolo iainana tsara indrindra ny tsikafona, ary manome lalana hanavaozana indray ireo karazam-biby an-drano ny fanesorana ilay zavamaniry. Mitarika ny fijinjana azy amin'izany ny Nepal Knotcraft Center (NKC) izay mivarotra asa-tanana mifototra amin'ny fandrariana (na vona fandravahana) avy amin'ny fandraharaham-behivavy sy ny fampiroboroboana ny toekarena.

“Tsy mpisavalalana aho fa mpandova fandrariana, fanomezam-bahana ary famokarana mahasoa tontolo iainana,” hoy i Maya Rai, Filoha Tale Jeneralin'ny Nepal Knotcraft Center. “Manome tsiraka azo ampiasaina tsy tapaka ny tsikafona, sady mahasoa ara-tontolo iainana.”

Naorin'i Shyam Badan Shrestha, mpandraharaha eny ifotony, handrisihana ireo vondrom-behivavy isa-paritra tamin'ny taona 1984 ny Nepal Knotcraft Center, hikatsahana fampiasana zava-baovao sy lovainjafin'ireo fitaovana enti-mandrary Nepali ho amidy ao Nepal sy any ivelany.

Na i Maya Rai (sary etsy ambany) ny tenany aza dia zanakavavin'ny mpanenona/mpandrary iray avy any amin'ny distrikan'i Dhankuta, ary nandany ny fahazazany tany amin'ny toeram-pambolena iray talohan'ny nihaonany tamin'ny fianakaviany faharoa ka nifindrany tany Kathmandu. Niraikitra tamin'i Rai ny fitiavana fanenomana/fandrariana sy ny asa-tanana, ka nanosika ny fianarany ho any amin'ny fihariana.

Image via Nepali Times, used with permission.

Sary avy amin'ny Nepali Times, nahazoana alalana.

Amin'izao fotoana izao izy miara-miasa amin'ireo vondron'olona manerana an'i Nepal, manandratra ny rafi-pahalalana nentin-drazana sy mampifandray ny vokatra amin'ny tsena manerantany. Manao fakan-kevitra ihany koa izy hananganana fandaharan'asan-toekarena maitso ary manoro lalana amin'ny tetikasam-pandraharahana maharitra ho an'ny tanora.

Mikatsaka mandrakariva i Rai hampiditra fitaovana vaovao sy maharitra ho an'ny tontolon'ny asa-tanana. Mihantona eo amin'ny rindrin'ny biraony ao amin'ny Patan Industrial Estate ny santionan'ny rambiazana, “cardamone”, hodi-katsaka, fihazonam-bohavoha, fanjaitra kesika, ary tsikafona. Na dia mahazatra eo amin'ny tantaran'ny asa tanana aza ireo fitaovana ireo dia tsy hita any amin'ny sehatra famokaran'ny ozinina.

Vokatr'izany dia manjavona ny fahalalàna amin'ny fomba fampiasana azy ireny, nefa mitombo ny filana akora organika amin'ny haitao manara-penitra, ny famolavolam-bokatra ary amin'ny fitaovan'ny tranomboky zay mitady izay mateza.

Manahirana ny mahazo tsikafon-dava, hoy i Rai. Tsy vitan'ny hoe sarotra ny fijinjana, fa tsy maintsy mivezivezy amin'ireo tranonkalan'ny mpandray anjara hanakarana tsikafon-dava avy amin'ny faritra mando maromaro, anisan'izany ny Tahirin-javaboary haolo Kosi Tappu ao amin'ny faritr'i Terai any atsinanan'i Nepal, mivelatra amin'ny tanimando 176 kilaometatra toradroa (68 maily toradroa). Tsentsin'ny tsikafona tanteraka ny lalan-drano ao, ka mba samy mahazo izay tombontsoa aminy avokoa ny fanalàna azy ireny hanenomana vokatra azy amidy.

Image via Nepali Times. Used with permission

Sary avy amin'ny Nepali Times. Nahazoana alalana

Rehefa niasa folo taona i Rai dia lasa akaikin'ireo mpitarika ny vondrom-piarahamonina ao amin'ny Kosi Tappu Community Forest izay nanohana ny tolo-keviny. Andraikitr'i Rai ny manelanelana, mampifandray ny mpanenona/mpandrary amin'ireo biraokraty. Nosintoniny avy amin'ny haizatrany manokana ny fahafahany manome toerana ho amin'ny fanavaozana ao anatin'ny rafitra asa tanana nentin-drazana.

Notapahiny tamin'ny alàlan'ny fahazoan-dalana nomen'ny Tahirin-javaboary ny elanelana misy eo amin'ny fitrandrahana sy ny fanodinana akora izy, singa iray manandanja hampahazoana tombombarotra amin'ny fanaovana tenona ho an'ny vondrona ao Kosi Tappu. Rehefa nodiovin'i Rai ny lalana dia nanomboka nikaroka, nijinja, nanodina ary nandefa ny tsikafona ho any amin'ny toeram-panenomana ao Kathmandu, izay hanaovana azy ho tsihy, harona ary haingon-trano, ny vondrona, izay fikambanam-behivavy tany am-piandohana.

Image via Nepali Times. Used with permission

Sary avy amin'ny Nepali Times. Nahazoana alalana.

Asan'i Maya Rai ny manambatra hevitra roa tsotra sy lovainjafy: mampiasa tenona ôrganika ho solon'ny fitaovana plastika sy sentetika izay marika NKC, sy manala ireo karazan-javaboary mora mameno toerana sy manempotra ny manodidina azy. Amin'ny alàlan'ny fividianana harona vita amin'ny tsikafona  ny mpanjifa misafidy amin'ny vokatra azo levonina sady mampiroborobo vokatra mamerina amin'ny laoniny indray izay manadio ny fitoeran-drano voajanahary.

Viola Bordon dia Mpikaroka ao amin'ny Fulbright mandalina ireo fitaovana amin'ny alalan'ireo sokitra miara-dalana amin'ny Oniversiten'ny Sekolin'ny Zavakanto ao Kathmandu.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.