Lahatsary: Internet Society Miresaka Ny Fahalalahana Miteny Sy Ny Sivana Iraisam-pirenena Eny Anivon'ny Aterineto

Handresy manoloana ireo fitaovana fanaraha-maso vaovao ve ny teknolojian'ny tsy fitononana anarana? Ary hampiroborobo ny demaokrasia va re ny teknolojia finday – sa hitarika bebe kokoa ho any amin'ny fihazàna sy fanaraha-maso misimisy kokoa?

Mafàna fo miisa enina avy any Syria, India, Burkina Faso, Kambodza, Venezoela ary Azerbaijan no niezaka ny hamaly ireo fanontaniana ireo tao anatinà famelabelarana nampiantranoin'ny Fandaharan'asan'ny Anjerimanontolo momba ny Fifandraisana, ny Koltora ary ny Teknolojia  ao Georgetown tamin'ny 25 Jona 2012 Washington DC. Ilay hetsika, nantsoina hoe CENSORSHIP 2020: Ny Hoavin'ny Fahalalahana Eo Anivon'ny Aterineto  dia nokarakarain'ny  Internet Society – Washington DC Chapter (ISOC-DC):

Ny Lohataona Arabo dia nampiseho ny fomba ahafahan'ireo teknolojian'ny Aterineto toy ny Twitter, bilaogy, sy Facebook manentana ireo mpanao hetsi-panoherana, mitoroka kolikoly sy fanitsakitsahana zon'olombelona, sady mampifandray ireo mafàna fo sy ireo mpitsoa-ponenana. Saingy ao  Iran , Syria , ary any rehetra any, dia mahita hatrany isika governemanta mpamoritra mampiasa ny aterineto mba hamantarana sy hihazàna ireo mpanohitra, mba hanelezany vaovao tsy marina, ary hanalàna baràka ireo mpanohitra ara-politika.

Ireo mafàna fo 6 ireo dia nofinidin'ny Iraky ny Firenena Mikambana ao Geneve ho toy ny sakaizan'ny Fahalalahan'ny Aterineto  taona 2012 . Ny tahirin-dahatsarin'ilay resadresaka dia ahitàna ny fanehoan-kevitr'ireo 6 nandray fitenenana: Dlshad Othman avy any Syria, Pranesh Prakash avy any India, Koundjoro Gabriel Kambou  avy any Burkina Faso, ny mpiara-miasa amin'ny Global Voices Sopheap Chak avy any Kambodza, Andres Azpurua avy any Venezoela ary Emin Milli avy any Azerbaijan.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.