Lahatsary: Misokatra Ny Fifaninanana Manerantany Horonantsarimihetsika Iray Minitra Momba Ny Tontolo Iainana

Manomboka ny fifaninanana horonantsarimihetsika iray minitra miompana amin'ny tontolo iainana andiany fahatelo karakarain'ny Tve Biomovies. Mahazo mandray anjara avokoa izay rehetra mihoatra ny sivy taona manana fakantsary ka manana hevitra hanao lahatsary (video) iray minitra miompana amin'ny lohahevitra mifandraika amin'ny tontolo iainana mba hahazoana loka $300 ahafahana mifaninana hahazoana loka goavana kokoa mitentina $1500 sy fandraisana anjara amin'ny valandresaky ny Firenena Mikambana UN COP 18 hotontosaina amin'ny volana Novambra.

 Drops of Hope, Winner of 2011 Biomovies

Avy amin'ny mpandray anjaran'ny Biomovies 2011, Fanantenana mitete

Raha handray anjara, misafidiana iray amin'ny sokajy 5 mifandraika amin'ny fanentanana momba ny tontolo iainana tahaka ny ranomasimbe, resiklazy (fanodinana ny zavatra tsy ilaina ho azo ampiasaina indray), vehivavy sy ny fiovaovan'ny toetr'andro, rano madio ary ny fomba fiainana maharitra. Amin'ny alalan'ny fampiasaina ny takelaka fandraisana anjara avy amindry zareo no andefasanao mialoha ny 5 septambra 2012 ny horonantsarimihetsika [lahatsary] tianao atao mandritra ny iray minitra. Hisy ny vaomiera mpitsara hifantina tolo-kevitra 10 izay hahazo vatsy ahafahany manatontosa ny filma iray minitra.  Ireo horonantsarimihetsika 10 ireo no mifaninana hahazo ny loka goavana ary izay mahazo mpijery betsaka kokoa amin'ny sokajy tsirairay avy no mandresy. Azo jerena ao amin'ny torolalana tve biomovies 2012 ny fampahalalana manontolo ny fomba fandraisana anjara, azo fenoina amin'ny teny Arabo, Anglisy, Alemana, Rosiana na Espaniola ny takelaka famenoana ny filazalazana.

Avy amin'ny faritra isan-karazany manerana ny gilaoby no nibata ny fandresena tamin'ny herintaona, izy rehetra ireo samy mampiroborobo ny fikojokojana ny tontolo iainana sy ny loharanon-kerentsika tao anatin'ny iray minitra avokoa. Ireto manaraka ireo ny lahatsary telo nandresy.

Fanantenana mitete avy any Italia sy Tonizia:

Recharge avy any India:

 The Unsettled Pygmies [Ireo Pygmées tsy tafaonina] avy any Ogandà:

Tve Biomovies logo

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.