· Janoary, 2019

Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Janoary, 2019

Nanonona fikambanana 60 ho mpitsikilon'ny “ady mandambolambo” ny minisiteran'ny fitsikilovana ao Iran

GV Mpisolovava  17 Janoary 2019

Vao haingana, dia lisitra ahitana fikambanana 60 no navoakan'ny minisiteran'ny fitsikilovana Iraniana izay miampanga azy ireo fa mazoto amin'ny ady mandambolambo atao amin'ny fitondrana Islamika ao Iran. Heverina ho heloka bevava ary voaràra ny fiarahamiasa amin'ireo fikambanana ireo sy ireo fampahalalam-baovao manana fifandraisana amin'ireo fikambanana ireo.

Avelao hiteny i Hoder!

GV Mpisolovava  15 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Taorian'ny fampiatoana ny bilaogin'i Hossein Derakhshan (fantatra amin'ny anarana hoe Hoder) avy amin'ny orinasa fampiantranoana bilaogy any Etazonia, Hosting Matters ,dia nisy ny fanangonan-tsonia an-tserasera nataon'ny The Eyeranian ho fanohanana ny zon'i Hoder amin'ny fahalalahana miteny: ” Manan-jo haneho ny...

Nesorin'ny SourceForge Ny Lamba Nandrakotra

GV Mpisolovava  11 Janoary 2019

Tamin'ny Janoary lasa teo, tamin'ny andro izay nanaovan'i Hillary Clinton, Sekreteram-panjakana amerikàna, kabary momba ny fahalalahan'ny aterineto, nobahanan'ilay vondrom-piarahamonin'ny loharano misokatra, SourceForge, ny fahafahana miditra ho an'ireo mpisera ao Sodàna, Siria, Iràna, Kiobà ary Korea Avaratra, tafiditra ao anatin'ny ezaka hifandrindra amin'ny fepetra amerikàna momba ny fanondrànana harena sarobidy any amin'ireny firenena ireny. Ny Alahady, ,ilaza ny SourceForge fa nesorina ireo fibahanana, ary navoakany ny stratejiany vaovao hifandrindra amin'ny lalàna amerikàna.

Iran: Nanao bemidina teny amin'ny cybercafe ny polisy

GV Mpisolovava  07 Janoary 2019

Nitatitra ny Radio Free Europe fa nanao bemidina tany amin'ireo cybercafe ny polisy ao an-drenivohitr'i Iran ary nanakatona ny 25 noho ny "fampiasana lalao solosaina tsy manara-dalàna sy ny fitehirizana sary vetaveta", ary ny fisian'ny vehivavy tsy manao"hijab araka ny tokony ho izy".

Nosakanan'i Iran ny fidirana ao amin'ny Google sy Gmail

GV Mpisolovava  07 Janoary 2019

Nosakanin'i Iran ny fidirana amin'ny mili-pikarohana Google sy ny tolotra maimaim-poanan'ny Google webmail Gmail, hoy ny sampam-baovao Mehr androany. "Afaka manamarina aho fa voasivana ireo tranonkala ireo," hoy i Hamid Shahriari, sekreteran'ny Filan-kevitry ny fampahalalam-baovao Nasionaly Iraniana.