Iran: Nanao bemidina teny amin'ny cybercafe ny polisy

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Septambra 2007)

Nitatitra ny Radio Free Europe fa nanao bemidina tany amin'ireo cybercafe ny polisy ao Tehran, renivohitr'i Iran, ary nanakatona ny 25 tamin'izy ireo sy nampitandrina tompona cybercafe miisa 170 noho ny “fampiasana lalao solosaina tsy mendrika sy ny fitehirizana sary vetaveta”, ary ny fisian'ny vehivavy tsy manao “hijab araka ny tokony ho izy”. Araka ny tatitra, olona 23 no nogadraina nandritra ity fanentanana farany manohitra ny “fitondran-tena tsy mendrika sy tsy silamo” ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.