Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Septambra, 2015
Atena Farghdani, Artista Sady Mpikatroka Mafàna Fo Voafonja, Manohitra Amin'ny Alàlan'ny Fitokonana Tsy Misakafo Ny Fampijaliana Azy

“Nolotoin-dry zareo tao am-ponja ny hajan'ny zanako vavy. Ny maha-olona azy no lalaovin-dry zareo amin'ireo teny [ratsiny]."
Manamafy Ny Fahefany Amin'ny Politikan'ny Aterineto Ny Filankevitra Faratampon'ny Serasera Ao Iran

Manamafy ny fahefany amin'ny politikan'ny aterineto amin'ny alalan'ny Filankevitra Faratampon'ny Tontolon'ny Serasera ny Mpitarika Faratampony ao Iran.
Iràna: Vehivavy Mpikatroka Mafàna Fo Ao Amin'ny Facebook Manazava Amin'ny Antsipirihany Ny Nahazoany Sazy Fito Taona An-Tranomaizina

Nanambara ny iray tamin'ireo valo mpikatroka mafàna fo tao amin'ny Facebook, izay namoahana sazy tamin'ny 2013 hifonja mandritry ny taona maro noho ny fanehoankevitra sosialy sy politika tao amin'ny pejiny Facebook, fa nandritry ny fotoana nitazonana azy dia nolavina ny hahazoany mifandray aminà mpisolovava, ary nalaina am-bavany momba ny fiainany manokana sy nampangaina taminà heloka tsy nataony velively izy.
Manao Famangiana Tselika Ilay Iraniana Nianjeran'Ilay Vy Avobe Fibatàna Enta-Mavesatra Ny Mpanjaka Saodiana
Mamangy ilay Iraniana nianjeran'ilay fitaovana vy be fibatàna entana mavesatra tany Lameka, izay nahafaty mpanao fivahinianana masina 107 tamin'ny Zoma ny Mpanjaka Saodiana, Salman. Lazain'ny sasany fa fanazarantena ho an'ny PR izany , ny hafa kosa midera an'i Salman.
Mianatra Miteny Angisy Amin'ny Lantompeo “Persiana”
Hoy ny fanazavàn'ilay vondrona ao ambadiky ny tetikasa hoe: "Amin'ny maha-Persiana monina ivelan'i Iràna, dia manimanina ny fiteny Farsi aho. Isaky ny misy olona reko miteny amin'ny lantompeo Persiana dia lafatra ny androko."
Sehon'afisy mampifandrohy an'i Havana, Tehran ary Seattle
Nataon'ireo mpanangona [nosoratakohoe mpifantina] mitondra ny lohateny hoe “SHT show” ireo nangonina satria, araka ny nosoratan-dry zareo, mahafinaritra rehefa tafaraka ry zareo. "Tsy misy politika, tsy misy fitsarana an-tendrony—fankasitrahana fotsiny amin'izay mahaliana miaraka mahaliana anay."