Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Avrily, 2012
Iran: Mpamafa Làlana Nahita 500.000 Dolara Amerikana Ka Namerina Izany Tamin'ny Tompony
Mpamafa làlana iray antsoina hoe Ahmad Rabani avy ao Bojnourd, 700km miala an’i Tehran, no nahita 1 lavitrisa Toman (eo amin’ny 570.000 dollars Amerikana eo) ary namerina izany tamin’ny tompony. Ho fisaorana azy, dia nomena 200.000 Toman (120 dollars Amerikana) izy ho valisoa.
Nandao An'i Brezila Ilay Diplomaty Iraniana Voampanga Ho Nikitikitika Ankizy Vavy
Voampanga ho nikitikitika ireo ankizy vavy tsy ampy taona nilomano tao anaty dobo filomanosana ilay diplomaty Iraniana monina ao andrenivohitry Brezila, Brasilia, tamin'ny 14 Aprily 2012. Nataon'ny polisy famotorana ity tompon'andraikitra Iraniana...
Iran: Alika Fitaiza Notazonin'ny Mpitandro Filaminana Indray
Ny Fikambanana Iraniana Manohitra ny Fanaovana Herisetra amin'ny Biby dia mitatitra [fa] fa alika manodidina ny 20 teo tamin'ny herinandro lasa no nosamborina tao amin'ny kianjan'i Pardisan rehefa nentin'ny tompony mba niasa dia teny
Iran: Ny Fiaran'i Ahmadinejad Nitsambikinana Vehivavy Sy Ilay Zokiolona Noana
Niteraka sahotaka tokoa ny lahatsary iray nampiseho tovovavy nitsambikina teo ambonin'ny fiaran'ny filoha Iraniana Mahmoud Ahmadinejad tamin'ny fotoana nitsidihany ny tanànan'i Bandar-Abbass (faritra atsimon'i Iran) tamin'ny 10 Avrily 2012. Fa ilay lahiantitra noana no nahaliana ny mpamahana bolongana kokoa.
Iran: Herinandron'ny Graffiti-n'Adala Ho An'ny Gadra Politika
Niantso ny rehetra hampiasa stansily ho fanomezam-boninahitra ny gadra politika Iraniana ny vondrona Facebook antsoina hoe Mad Graffiti Week Iran [Herinandron'ny Graffiti-n'Adala ao Iran] ny voalohany ka hatramin'ny fahafito Avrily. Mametraka...
Iran: Mamadika Ny Pejin'ny Fanavakavaham-bolokoditra Atao Amin'ny Afgana
Naneho ny fahasorenany ny mpamahana bolongana raha nandre fa noraràn'ny manampahefana tsy hiditra ao amin'ny toera-pitsangatsanganana ny Afgana monina ao Ispahan, ao Iran nandritra ny fankalazana ny faha-13 andron'ny taombaovao...
Sarimiainan'ny Departemantam-Panjakana US Miresaka Ny “Lambam-baravarana Nomerika” Ao Iran
Namoaka sarimiaina milazalaza momba ny lambam-baravarana elektronika tao amin'ny Youtube ny Departemantam-Panjakana US misahana ny fandaharan'asa momba ny Fampahalalam-baovao Iraisampirenena