Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Mey, 2013
Nolavin'ny Fitondrana Iraniana ny Filatsahan-kofidin'ireo Kandida Roa Tsara Indrindra.
Nanaitra ny maro indray ny fanirian'ny fitondrana islamika hifehy tanteraka ny fiainana ara-politika rehefa nanambara ny nisafidianan'ity farany ireo kandidà valo monja afaka mifaninana hofidiana ho filoham-pirenena tao anatin'ireo 600 nisoratra anarana tamim-panantenana.
Ireo Olo-Miavaka Tsy Nampoizina Sy Ireo Vehivavy Mihazakazaka Ho Filohan'i Iran
Iraniana an-jatony be fanantenana, ao anatin'izany ny vehivavy telopolo, no nisoratra ho kandidà mba hisolo ny Filoha Mahmoud Ahmadinejad amin'ny fifidianana ho avy ny 14 Jiona 2013 na dia tsy manam-bintana ny ho voafidy aza ry zareo
Olon'ny Tantara Foronina Ve No Tena Malaza Amin'ireo Mpirotsaka Ho Filoham-Pirenena Ao Iran?
Tsy manome vintana ho an'ireo mpirotsaka ho fidiana natolotry ny mpanohitra mihitsy ny tàna-maherin'ny fitondrana iraniana, saingy anaty tontolon'ny virtoaly, mpandray anjara iray vaovao aminà tantara an-tsary no loha-laharana amin'ny fifidianana malalaka sy tsy mitanila.