· Aogositra, 2017

Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Aogositra, 2017

Fitetezana Ny Tontolon'ny Bilaogy Kiorda

[...] voampanga ho niray tsikombakomba tamin'ny ady heloka bevava sy fandripahana olona tamin'ny fivarotana vokatra simika tamin'i Iràka (nefa nahafantatra fa mety ho ampiasain'i Saddam Houssein izany mba hanaovana fanafihana amin'ny entona misy poizina) [...]

29 Aogositra 2017

Nanoratra Taratasy Ho An'i Kristy Ireo Bilaogera Iraniana

Toa tahaka ny mahagaga angamba izany, kanefa bilaogera Miozolomana maromaro no nanoratra taratasy ho an'i Jesoa Kristy tao amin'ny bilaoginy izay nitaraina momba ny fanevatevan'ireo Tandrefana ny Miozolomana, ary indrindra indrindra tamin'ny sarimihetsik'ilay solombavambahoaka Holandey Geert Wilders tsy tia Islamo antsoina hoe Fitna.

24 Aogositra 2017

Omid Reza Mir Sayafi, Bilaogera Iraniana Maty Tany Am-Ponja

GV Mpisolovava

Nodimandry tao amin'ny fonjan'i Evin ao Tehran tamin'ny 18 marsa i Omid Reza Mir Sayafi, mpanao gazety sady bilaogera iraniana 29 taona. Voaheloka higadra roa taona sy tapany izy tamin'ny desambra, noho ny filazana fa nanivaiva mpitondra fivavahana sy fanaovana propagandy hamelezana ny Repoblika Islamikan'i Iran.

21 Aogositra 2017

Kurdistance: Mangingina

Miala tsiny noho ny fiadan'ny herinandro, na izany aza, raha te hamaky resadresaka mahaliana momba ny natioran'i Kurdistan ara-jeografika ianao, jereo ireo fanehoan-kevitra farany ao amin'i Kurdistance.

08 Aogositra 2017

Iran : Fisamborana Alika

Nitatitra ilay bilaogera Dastan fa nisambotra alika maromaro ny polisy Iraniana tamin'ny 9 septambra mba hanala ny firenena amin'ny “fisarihana tandrefana » sy ny "tsy fahamendrehana". Tohina ireo tompona alika ary niahiahy tanteraka mikasika izay mety hanjo ny alikan'izy ireo.

08 Aogositra 2017