· Jolay, 2017

Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Jolay, 2017

Kurdistance… [Fijoroana Kiorda]

Nitranga tamiko ny zavatra tena mahatsiravina indrindra....ny fifamoivoizam-baovao RSS ho an'ny bilaogy Kiorda, nanjavona avokoa ny vaovao rehetra. Ka amin'ny fiatrehana ny olana, dia hamela olona vitsy ny lahatsoratra androany. Soa fa tsy very ny asako rehetra satria mbola azo jerena ao amin'ny tranonkala bilaogiko ny vaovao RSS rehetra.

27 Jolay 2017

Iran:  Nitokona Ny Mpiasa Noana An'aliny

Nanomboka nitokona tamin'ny herinandro lasa ny mpiasa an'arivony tsy nandray karama tao amin'ny orinasa mpanodina siramamy Haft Tapeh ao Shoush any amin'ny faritanin'ny Khuzestan any Iran . Nandefa ny mpitandro filaminana ny governemanta mba hampiasa famoretana tamin'ireo mpiasa, kanefa mbola nitohy hatrany ny fitokonana.

24 Jolay 2017

Iran: Kandidà Reformista Voaràra Tsy Hirotsaka Hofidiana

Nampihena ny fanantenan'izy ireo amin'ny fifidianana parlemantera amin'ny volana ambony ny Iraniana Reformista rehefa nesorin'ny manampahefana ny ankamaroan'ny kandidàn'izy ireo, anisan'izany ireo Solombavambahoaka sasany sy ilay "Rain'ny ny Repoblika Islamika", zafikelin'i Ayatollah Khomeini. Ao Iran, tsy maintsy mahazo fankatoavana alohan'ny hifidianan'ny vahoaka azy ny kandidà.

23 Jolay 2017

Iran: Bilaogera Islamista Mihoby An'i Imad Mughniyeh

Naneho ny fiarahamiorin'izy ireo tamin'ny filohan'ny Hezbullah, Hassan Nasrallah ny mpitarika Iraniana, anisan'izany ny mpitarika fara tampony, taorian'ny famonoana an'i Imad Mughniyeh, iray amin'ireo mpifehy ambony ny vondrona mpitolona, mihoby azy ho "lehilahy mahafinaritra".

20 Jolay 2017

Iran: Mamaly Ny Fanontanian'ireo Bilaogera i Khatami

Tamin'ny Alahady, nandray anjara tamin'ny fandaharana amin'ny fahitalavitra antserasera natombok'ilay reformista antsoina hoe Mowj4 i Mohamad Khatami, filoha Iraniana reformista teo aloha, izay manohana ny firotsahan'i Mir Hussein Mousavi amin'ny fifidianana filoham-pirenena Iraniana

16 Jolay 2017