Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Janoary, 2011

Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Janoary, 2011

Iran: Mampahatsiahy indrindra ny “hetsika maitso” tany Iran ny fijoroana any Ejipta

Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny Fanoherana any Ejipta 2011. Ho an'ny ankamaroan'ny mpamaham-bolongana Iraniana dia mampahatsiahy indrindra ny “Hetsika Maitso” tany Iran taorian'ny fifidianana tamin'ny 2009 ity Hetsi-panoherana Ejipsiana sy ny fampiasana ny valan-tserasera ity. Tahaka izany ihany koa ny nataon'ny fitondrana Ejipsiana naka tahaka ny tany Iran rehefa mamaly bontana...

Afghanistan: Hetsi-panoherana tao Kabul manohitra ny governemanta Iraniana

Nanao fihetsiketsehana teo ivelan'ny masoivoho Iraniana tao Kabul ireo Afgana mpanohitra tamin'ny Alakamisy, Afghanistan manohitra ny antsojay mahazo ny Afgana mpifindra monina sy mpialokaloka any Iran, ary koa manohitra ny ankivy ara-tsolika avy any Iran mahazo an'i Afghanistan amin'izao fotoana izao.

Iran: Liona 14 novonoina tany amin'ny saha fiarovam-biby tany Tehran

Tezitra sy malahelo ireo mpitoraka bilaogy mikasika ny famonoana liona 14 tany amin'ny saha fiarovam-biby any Tehran. Nitatitra ny media Iraniana fa novonoina ireto liona ireto satria nahitana aretina entina otrikaretina mitondra ny anarana hoe glanders, izay fahita any amin'ireo soavaly, apondra, sy ny zana-tsoavaly. Herinandro roa talohan'izay, maty ny tigra...

Iran: Asa fanakanana, fanapaingorana mailaka, ary fanavaozana ny teritery atao amin'ny Green Movement

Ny Tetikasa Tor dia mitatitra fa ankehitriny ny milina fisakànana Iraniana dia manakana na mitantavana ny Tor, sy maro amin'ireo fitaovana fandingànana hafa toy ny SSL. Manoro hevitra izy ireo ny amin'ny tokony hampiasàna tetezana tsy mampiasa ny port 443.  Ireto ambany ireto ny kisary avy amin'ny Tetikasa Tor manambàra...

Tonisia: Manako eran-tany ny antsoantson'ireo mpanohitra

Ny kiak''ireo Tonisiana, manohitra ny kolikoly sy ny tsy fisian'asa nandritra ireo roa herinandro lasa, dia mihamalalaka kokoa ao amin'ny Aterineto. Mihetsika manaraka azy ireo sy manely ny antsony ireo mpampiasa aterineto maneran-tany.