Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Septambra, 2014
Nanambara Ny Minisitra Iraniana Fa Tsy ‘Nampanantena Velively’ Ny Hampitsahatra Ny Sivana Atao Amin'ny Tranonkalan-tserasera Ny Governemanta
Mifanohitra amin'ny fampanantenana nomen'ny Filoha Hassan Rouhani momba ny hanaisorana ny fandraràna mihatra amin'ireo tranonkalanà mediam-bahoaka izay be mpankafy toy ny Facebook sy Twitter ny tenin'i Vaezi, Minisitry ny ICT.
Eo Amin'ny 70% n'ny Tanora Iraniana No Mampiasa Fitaovana Tsy Ara-dalàna Famakiana Sivana Amin'ny Aterineto
Araka ny voalazan'ny lisitry ny Heloka Informatika ao Iran, samy tsy ara-dalàna ny fizarana ny teknolojia famakiana sivana sy ny toro-lalana fampiasana izany fitaovana izany. Mety hiafara amin'ny sazy henjana ny fanitsakitsahana izany lalàna izany.
Fiaiken'ilay Iraniana Tezitra
Tezitra ilay mpanesoeso momba ny politika Iraniana Kambiz Hossein, nahatonga azy hividy antenina mandeha amin'ny zanabolana ny Repoblika Islamika sy ny mpitsabony.
Manakatona Ireo Tranokalam-baovao Tsy Voasoratra Anarana Ny Governemanta Iraniana
Hahazo fanampiana ara-bola avy amin'ny governemanta izay tranokalam-baovao rehetra mankatò ny tokony hisoratana anarana.
Aostralia: Namoy Ny Ainy Ilay Iraniana Nitady Fialokalofana
Namoy ny ainy noho ny fahafatesan'ny ati-doha ilay Iraniana mpitady fialokalofana Hamid Kehazaei rehefa nijalin'aretin-drà izay aretina azony nandritra ny fanagadrana azy tao amin'ny Nosy Manus ao Papouasie-Nouvelle-Guinée. Aostraliana maro no naneho ny fiombonan'alahelo sy ny fahatezerana.