Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Mey, 2016
Lasa Nisarika Ny Sain'ny Rehetra Ny Fihenan'ny Farihy Urmia Ao Iran, Noho Ny Nataon'i Leonardo DiCaprio Avy Any Hollywood
"Nanontany aho raha toa ka fantatr'izy ireo ny loza mety hitranga aminay raha toa ka ritra ilay farihy. Dia hoy izy ireo hoe, raha ritra izy, tsy maintsy mandeha any an-kafa isika."
Ny Fanjakana Iraniana Mifampitàna Amin'i Kim Kardashian
Tena kidaladala ilay tantara ka lasa toa mahatsikaiky, raha atao indray mijery. Saingy tsy raharaha natao hihomehezana mihitsy ny olan'ny fanjakàna Iraniàna amin'i Kim Kardashian.
Tafintohina Tamin'ny Lalànan'ny Iraniana Momba Ny Sarondoha Ireo Ekipa Vehivavin'ny Air France
Mangataka ny zo tsy hiasa amin'ny zotra Paris-Tehran ireo vehivavin'ny Air France raha takiana ny fanaovana sarondoha, ary tohanan'ny vondrona Facebook "My stealthy Freedom" ( Ny fahafahako miserana) amin'ny fanentanana vaovao amin'ny aterineto ny hetsika ataon-dry zareo.
Netizen Report: Noho Ny Fifandonana Anaty Cyber Sy Zon'Olombelona, Mitombo Ny Disadisa Eo Amin'i Etazonia Sy Iràna

Mitombo indray ny isan'ny maty ho an'ireo Bangladeshis tsy mpino, Nodiovina tao amin'ny tranonkala Shinoa ny #PanamaPapers ary dingana roa fanamarinana no trandrahan'ireo Ejiptiana manampahefana mba hanaovana lasibatra ny kaontin'ireo mpikatroka mafàna fo ety anaty aterineto.
Noafahana Vonjimaika Ilay Bilaogera Iraniana Hossein Ronaghi-Maleki
"Amin'ny fiaingana rehetra, misy ny fiverenana. Na dia malemy sy marary aza, tsy maintsy mitsangana sy mitsiky isika. Tsy maintsy mandroso isika..." hoy i Hossein Ronaghi-Maleki nanoratra.
Lahatsary Fanomezam-boninahitra, Mampifanaraka Ny Fanononana imolotr'ireo Iraniana Ny Fitiavan-dry Zareo ilay Kalazan'ny Mozika, Mohammed-Reza Shajarian.
Hoy ny bitsiky ny Avideh hoe: "Shajarian, feon'ny vahoakan'i Iràna: #Maestro_we_love_you (Tiako/Tianay ianao) #Shajarian"
Afaka Tamin'ny Andron'ny Fahalalahan-Gazety Manerantany Ilay Iraniana Mpanao Sariitatra Atena Farghadani

Andron'ny 3 Mey 3, izany hoe tao anatin'ny Andron'ny Fahalalahan-Gazety Manerantany Indrindra, navotsotra avy tao amin'ny fonjan'i Evin ilay Iraniana mpanao sariitatra Atena Farghadani.