Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Oktobra, 2014
Lahatsary YouTube Mampihetsi-po Manome Fitenenana Hoan'ny Olon-tsotra Iraniana
Inona no mampatahotra indrindra ny Iraniana? Manontany an'io amin'ny Iraniana eny an-dalambe ao Tehran ilay mpanatontosa horonantsarimihetsika.
Mahatsiaro An'i Mahsa Shekarloo, Nitondra Voalohany Ny Aterineto Tany Irana Ary Mpitaky Ireo Zon'ny Vehivavy
Maty ny 5 Septambra 2014, nodidinin'ireo fianakaviany, i Mahsa Shekarloo, mpikatroka mafana fo miaro ireo zon'ny vehivavy Iraniana ary mpanorona ny Bad Jens, gazety hita ety anaty aterineto miaro ny vehivavy. Manome voninahitra ny fiainany isika ato amin'ity lahatsoratra ity.
#FreeSaeed: Enin-taona Tany Am-ponja Ilay Iraniana Mpikira Habaka
Voaheloka ho faty tahaka ny "mpanimba ny tany" noho ny rindrambaikony open source izay ampiasain'ny hafa hitrohana sary mamoafady i Saeed Malekpour tany am-boalohany.
Nanatevina Ireo Fihetsiketsehana Ny Iraniana Ho Fanohanana An'i Kobane, Sisintany Syria-Tiorkia, Ataon'ny ISIS Fahirano
Niharan'ny fanafihan'ny ISIS ny tanànan'i Kobane tamin'ny tapaky ny volana Septambra . Nalaza tao amin'ny media sosialy ny diezy Twitter #TwitterKurds, #Kobani sy ny #کوبانی ho fanohanan ny zava-misy