Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Marsa, 2012
Iran: Hitondra Fiovàna Ve Ny Fanalefahana Ny Sazy Amin'ny Aterineto?
Ny Departemanta Amerikana miadidy ny Kitapom-bola dia nanalefaka ireo sazy ao anatin'ny lisitr'ireo tolotra aterineto ahitàna ny Yahoo Messanger, Google Talk, sy Skype. Na dia niarahaba ilay vaovao ihany aza, dia tsy dia nafana loatra ny fientanentanana nasehon'ireo Iraniana tamin'izany.
Avy Amin'ny Iraniana Ho An'ny Israeliana: “Namanareo Izahay”
Ilay pejy Facebook fanentanana avy amin'ny Israeliana miteny amin'ireo Iraniana hoe "Tsy handaroka baomba velively ny firenenareo izahay. Tianay ianareo" dia nahazo valiny avy amin-dry zareo Iraniana amina endrika fifandraisana fifanentanana ao amin'ny Facebook izay miteny amin-dry zareo Israeliana hoe, "Namanareo izahay."
Taratasim-pitiavana Avy Amin'i Israely Ho An'i Iran
Tahaka ny nofinofy izany hoe hafatra mifono fitiavana avy amin'ireo Israeliana ho an'ny Iraniana izany, tanatin'ireo taona maro nifandrahonan'ny governemanta Iraniana sy Israeliana tsy nisy fiatoana. Saingy mahita ohatra amin'izany isika ao amaty fanentanana iray vaovao ao amin'ny Facebook.
Iran: Taombaovao Nowruz Tsy Misy Trondro Mena?
Fanamarihana: Trondro mena no ahafantarantsika ny trondro (gasy) mitovitovy aminy antsoina hoe “trondro volamena” raha adika avy amin'ny teny anglisy. Manana ny toerany manokana eo amin'ny taombaovao Iraniana ankalazaina ny...
Iran: Hatezeran'ireo Mpanao Sariitatra Amin'i Khatami Noho Ny Nandehanany Nifidy
Mohammad Khatami, ilay filoha teo aloha, mpandàla fiovana tao Iran dia nandatsa-bato tamin'ny fifidianana ny ho parlemantera tamin'ny Zoma 2 Martsa 2012, niverina tamin'ny teny nomeny fa hoe handà tsy hifidy izy mandra-pamotsotra ireo gadra politika ary hajaina ny lalam-panorenana. Ny fihetsika nataony dia niteraka hatezerana mafy tamin'ireo mpandàla fiovàna nankasitraka ny hibodoana ny fifidianana.
Iran: Lavin'ireo Vehivavy Ny Rakakaben'ny Ady
Ny fitondrana Islamika Iraniana dia nanao tsinontsinona ny Andro Manerantany Natao Ho An'ny Vehivavy efa nandritra ny ho telopolo taona mahery. Tsy mampihatra ny 8 Martsa io firenena io, ary mandràra mihitsy ireo fikambanam-behivavy aza mba tsy hankalaza izany andro izany. Saingy isan-taona ireo vehivavy Iraniana, na izany eo amin'ny fiainana andavanandro, na any anatin'ny tontolo virtoaly dia manohy mankalaza ihany.
Nohatsarain'ny Fampahalalam-Baovao Iraniana Ny Kabary Nataon'i Asghar Farhadi Nahazo Oscar
Dibo-kafaliana tanteraka ny Iraniana raha vao nahafantatra fa ilay horonantsary mihetsika “A Separation” (Fisarahana Iray) nolalaovin'i Asghar Farhadi no nandrombaka ny loka Oscar amin'ny horonan-tsarimihetsika amin'ny teny vahiny mendrika indrindra nandritra ny Academy Awards (Loka...
Iran: “Tokony mbola hifidy indray ve isika?”
Ny Zoma 2 Martsa 2012 izao ny Repoblika Ismalika dia miomana ho aminà fifidianana parlemantera (Majlis). Raha betsaka ireo vondron'ny mpanohitra no miantso fibodoana an'ilay fifidianana, ny fanjakana Iraniana kosa mampiasa ny fampielezan-kevitra fankahalàna ny Tandrefana mba hisarihana ny olona handeha handatsa-bato.