Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Novambra, 2017
Diantsika Ao Amin'ny Tontolon'ny Bilaogy Kiorda
Nanamarika ny fiantombohan'ny fitsarana an'i Saddam Hussein ity herinandro ity, tsy vitany hoe tsy mbola nisy toy izany ity fitsarana ity, fa ny fanontaniana mitoetra dia hoe: hotsaraina tokoa tamin'ny habibiana rehetra vitany ve izy?.
Iran: Tifitra Tao Virginia (Etazonia) Araka ny Blogestan Iraniana
Nilaza i Haji Washington [Fa] fa raha namono olona tany amin'ny oniversite Eoropeana ny mpianatra Koreana iray, tahaka ny nataon'ity namana feno hadalana tao amin'ny Virginia Tech ity, mety hiteraka olana lehibe ho an'ny vahoaka any Azia Atsimo ny fankahalana goavana.
Ahoana No Fomba Hanivanan'i Iràna Ny Aterineto?
Tsy Microsoft irery ihany no orinasa amerikana izay manana teknolojia manohana ny fibahanana ny fahalalahana miteny, sady tsy i Shina irery koa no firenena itrangan'izany.
Tongasoa Eto Amin'ny Tontolon'ny Bilaogy Kiorda
Ny resaka momba an'i Kiordistan (na eo amin'ny sehatra ara-politika na foto-kevitra) no tena adihevitra hatrany. Na dia tsy misy antoko politika aza ao Kiordistan, ny lohahevitra amin'ny fametrahana tanindrazana ho an'ny Kiorda (vondrona ara-poko lehibe indrindra manerantany tsy manana firenena azy manokana) no mbola tanjona voalohany ara-politikan'ny ankamaroan'ny Kiorda.
Dia Ao amin'ny Tontolon'ny Bilaogy Kiorda
Araka ny vokatra vonjimaika, nolaniana tamin'ny latsa-bato "Eny" ny Fitsapa-kevi-bahoaka momba ny Lalàmpanorenana. Ary raha miandry ny vokatra ofisialy izao tontolo izao, tena mavitrika tokoa amin'ny hevitr'izy ireo momba ny raharaha ny Irakiana Kiorda sy ny Kiorda amin'ny ankapobeny.
Taratasin'i Ayatollah Khomeini: Fitaovam-piadiana Nokleary sy Fiafaran'ny Ady
Araka ny tatitry ny haino aman-jery isan-karazany, nampahafantatra ampahibemaso an'i Tehran mikasika ny taratasy efa tamin'ny taona 1988 ny filoha teo aloha Hashemi Rafsanjani, izay nanononana ny komandy ambony ao Iran ho nilaza fa mila baomba nokleary i Iran mba handresy ny ady amin'i Iraka.
Iran : Naiditra Am-ponja Ny Dokotera Manampahaizana Roa Manokana Momba Ny Sida
Nanambara ny fisamborana tany Teheran ireo dokotera mpirahalahy Arash sy Kamyar Alaei, izay manampahaizana manokana momba ny SIDA / VIH nanomboka tamin'ny volana jona 2008 ny Global Voices.
Miahiahy Momba Ny Kabinetran'ny Filoha Vaovao Ireo Bilaogera Iraniana
Manoratra i S'can-Iranic fa mpikambana ao amin'ny Fikambanana Revolisionera Islamika na miara-miasa akaiky amin'izany ny ankamaroan'ireo olona notendren'ny filoha Ahmadinejad ao amin'ny kabinetrany.
Iran: Krizy Nokleary, Antenina TV Zanabolana Vaky & Mpianatra Nogadraina
Araka ny filazan'ny fampahalalam-baovao, nanome ny valinteniny ofisialy tamin'ny fangatahan'ny firenena matanjaka manerantany mba hampiato ny fampitomboany ny oranioma ho takalon'ny fonosam-bola i Iran. Mbola miresaka momba ny krizy nokleary Iraniana sy ny vokatr'izany ny fampahalalam-baovao sy ny bilaogera manerantany. Andeha hojerentsika ireo bilaogy Iraniana vitsivitsy:
Fanontaniana Ho An'ireo Iraniana Blaogera : Inona No Lazain'Ireo Blaogy Persiana?
if you don't have a blog but definitely have the language ability to help, please contact us at: globalvoices ..............................Raha tsy manana blaogy ianareo nefa manana fahaizana amin'ny fiteny mba ho fanampiana, azafady antsoy izahay ao amin'ny: globalvoices.