Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Jona, 2013

Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Jona, 2013

Kandidà Ho Filoham-pirenena Iraniana Mampiasa Ny Media Sosialy Ho Fiadiana

Mifaninana amin'ny fampiasàna ny media sosialy ireo Iraniana mpifaninana ho filoham-pirenena, toy ny Facebook sy Twitter na dia voasivana aza ireo tranonkala ireo ary amin'ny ankapobeny dia tsy afaka idiran'ireo mpisera anaty aterineto loatra.

Fifidianana Tao Iran : Fankalazàna Ny Anio, Mbola Lalan-Davitra Sy Ankamatatra No Miandry Any Aloha

Taorian'ny famisavisan'ireo manam-pahaizana hoe ilay olona nantsoiny ho akaikin'ny fon'ny Mpitarika Ambony sy ny famisavisana fihodinana faharoa eo amin'ilay Ben'ny tanàna mpanàla ny nentin-drazana ao Tehran sy ilay kandidà maoderina indrindra, tsy nisy olona taitra mafy tamin'ilay valim-pifidianana androany afa-tsy ny Iraniana irery ihany

Iran : ” Ho Any Amin'ny Amboara Eran-tany Amin'ny Baolina Kitra Izahay!” (Lahatsary maro)

Nahazo aina be ny Iraniana tamin'ny fankalazana natao ho an'ny fiovana. Ny Talata 18 Jona 2013 nameno fifaliana ny lalàmbe izy ireo taorian'ny nahatafakatra ny Ekipa nasionalin'ny baolina kitran'i Iran ho amin'ny Amboara Maneran-tanin'ny Baolina kitra 2014 izay atao ao Brezila.

Iran: “Faly Fa Nisaina Amin'ity Indray Mitoraka ity ny Vatoko” (Lahatsary)

Milaza ny fitokisany ho voaisa ny vatony ireo Iraniana maro rehefa nandresy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena Iraniana i Hassan Rouhani.

Fampisehoan'i Ermia, Mpihira Iraniana, Ny Voaliny

Nisarika ireo Iraniana mpankafy sy mpankahala, izay nanaraka ny fandaharana, ny fanapahan-kevitry ny tanora iray hisarona voaly nandritry ny Googoosh Music Academy, fampisehoana mozikan'ny fahitalavitra miteny Persiana, .

Video: Hiakam-Pahatezeran'Olona Anarivony Manohitra ny Fitondrana Iraniana Nandritra Ny Fandevenana Ayatollah Iray

Olona an'arivony tao Isfahan, Iran no nandray anjara tamin'ny diabem-pandevenana ny Ayatollah Jalal Al-Din Taheri tamin'ny 4 Jona 2013. Olo-malaza ara-pivavahana zokiolona izy sady feo mpitsikera ireo henjakenjana amin'ny fiarovana ny fitondrana