· Oktobra, 2017

Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Oktobra, 2017

Mibilaogy Ny Hezbollah Iraniana

Marolafy tanteraka ny tontolon'ny bilaogy Iraniana izay ahitana bilaogy mavitrika an'arivony. Ao anatin'ireo bilaogy ireo, afaka mahita bilaogy pro-demokratika sy liberaly ary koa ny pro-Repoblika Islamika isika. Ny ankamaroan'ireo bilaogy pro-Repoblika Islamika dia miantso ny tenany ho bilaogy Hezbollah.

27 Oktobra 2017

Miresaka Momba Ny Fandresen'i Obama Tao Iowa Ny Bilaogera Iraniana

Bilaogera Iraniana maromaro no miresaka momba ny fandresen'ilay kandidà ho filoha amerikana, Barack Obama, tao Iowa. Ity no fifaninanana fanendrena voalohany amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena taona 2008. Faly tamin'ny fandresen'i Obama ny sasany, raha nanombana mikasika ny fiantraikan'ny "Obama ho filoha" amin'ny fiainana ara-politika Iraniana kosa ny hafa.

26 Oktobra 2017

Zon'Olombelona, Tranombokin'ny Tsy Fanaovana Herisetra & Krismasy

Cheraghyekhamoush (vonoy ny jiro) miresaka momba ny fanambaran'i Ahmadinejad vao haingana momba ny zon'olombelona tamin'ny Eoropeana . Araka ny filazan'ny filoha Iraniana, izay iharan'ny teritery ny governemanta noho ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona, afaka mandefa delegasionina any amin'ny firenena Eoropeana i Iran mba hitatitra momba ny zon'olombelona.

26 Oktobra 2017

Iran: Fihetsiketsehana Noho Ny Fandraràna Gazetiboky Momba Ny Vehivavy

Noraràn'ny governemanta Iraniana roa herinandro lasa izay ny Zanan Magazine (midika hoe "gazetim-behivavy"), taorian'ny 16 taona nivoahany. Tato anatin'ny taona vitsy, nofoanan'ny manampahefana Iraniana ny fahazoan-dalana an'ireo gazety sy gazetiboky marobe, saingy ny fanakatonana an'i Zanan no tena niteraka fanoherana lehibe tao amin'ny firenena sy iraisam-pirenena.

25 Oktobra 2017