Avelao hiteny i Hoder!

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Let Hoder Speak!

Taorian'ny fampiatoana ny bilaogin'i Hossein Derakhshan (fantatra amin'ny anarana hoe Hoder) avy amin'ny orinasa fampiantranoana bilaogy any Etazonia, Hosting Matters ,dia nisy ny fanangonan-tsonia an-tserasera nataon'ny The Eyeranian ho fanohanana ny zon'i Hoder amin'ny fahalalahana miteny: ” Manan-jo haneho ny heviny i Hoder, tahaka antsika rehetra. Toy izany fotsiny ireo fanehoan-kevitra ao anaty bilaogy manokana; ny hevitry ny mpanoratra. Mifanohitra amin'ny etika ny famerana ny zo toy izany tsy misy dingana ara-pitsarana, ary tena tsy ara-dalàna mihitsy aza. Tokony hiady ho an'ny zony hiteny isika rehetra, satria momba ny zontsika manokana hiteny ihany koa izany,” hoy ny mpikarakara ny fanangonan-tsonia ho an'ny Avelao hiteny i Hoder!

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.