Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Novambra, 2012
Iran: Eritreritra Momba An'i Gaza sy Isiraely
Nalefan'i Peyman Majidzadeh voalohany tao amin'ny Arseh Sevom ny lahatsoratra Ady inona izany? Ny fanohanana ny Palestiniana no politika ivelany laharam-pahamehana ho an'i Iran araka ny filazan'ny mpitondratenin'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Iraniana, Ramin Mehmanparast....
Iran: Fakafaka Ataon'ny Mpiserasera Momba ny Efa-taona Fanampiny Ho an'i Obama
Raha anisan'ny lohahevitra lehibe amin'ny raharaham-bahiny Amerikana i Iran, tsy mahagaga raha liana dia liana amin'ny fifidianana ny Iraniana. Maniry ny hahalanian'i Obama ny ankamaroan'ny Iraniana mba hialana amin'izay ady mety hisy.
Mibilaogy Amin'ny Anaran'i Hamid

Efa ela i Antonella no tsy nibilaogy. Tamin'ny 25 Aprily 2012 izy no nibilaogy farany, toy izao no nosoratany tamin'izany: “Ry namana Hamid, Isan'andro no ahitako ny halehibiazan'ny fo,...
Mihozongozona Ny Fitondrana Ao Iran Mialoha Ny Fifidianana Ho Filoham-pirenena
Vao haingana izao dia nolavin'ny fitsarana ao Iran ny fahafahan'ny Filoha Mahmoud Ahmadinejad mitsidika ny iray amin'ireo fonja malaza indrindra ao amin'ny firenena. Midika ve io fanapahan-kevitra io fa efa mihen-danja ny fahefan'ilay Filoha an-dalam-panaperana ny fotoam-piasany, volana vitsy aty alohan'ny fifidianana amin'ny taona ho avy?
Kanadiana Miandry Fanamelohana Ho Faty Any Iran Hatramin'ny 2008
Voafonja ao Iran sy nohelohana ho faty noho ny fiampangàna azy ho nanao asa fitsikilovana ilay teratany Kanadiana Hamid Ghassemi tamin'ny 2008. Ny fianakaviany, namany ary mpiray vodirindrina aminy any Toronto sia mbola manohy manentana hatrany ho amin'ny famerenana azy.
Mpisolovava Iraniana Nasrin Sotoudeh Mitokona Tsy Mihinan-kanina ao Am-ponja
Efa nihoatra ny efatra herinandro izao ilay Iraniana mpiaro ny zon'olombelona, mpisolovava ary efa nahazo ny Loka Sakharov antsoina hoe Nasrin Sotoudeh no nitokona tsy nihinan-kanina ho setrin'ny faneriterena atao amin'ny fianakaviany sy ny tsy firaharahian'ny manampahefana Iraniana ny gadra politika.
Nampijaliana ho Faty Ilay Bilaogera Iraniana Sattar Beheshti
Nanangana tadio an-tserasera [fa] goavana ny mpiserasera Iraniana taorian'ny nandrenesana ny vaovao nahafatesana bilaogera iray tao amin'ny toera-pamotorana nivoaka voalohany [fa] tany amin'ny Habaky ny mpanohitra. Araka ny tafatafa nifanaovana tamin'ny fianakavian'i Sattar Beheshti...
Iran: Famoretana Ireo Bilaogera Iraniana
Miatrika famoretana mamaivay indray ny bilaogera Iraniana, efa maro tamin'ireo bilaogera no niditra am-ponja, ary tamina trangan-javatra miavaka, novonoin'ireo mpitandro ny filaminana ny vadina bilaogera iray. Toa hita fa mitombo...
Famaizana an'i Iran: Iza No Nangalatra Ny Fanafodiko?
Tena ratsy fiantraika amin'ny ain'ireo marary 6 tapitrisa ao Iran ny tsy fahampian'ny fanafody, fiantraika mivantan'ny famaizana tsy mbola nisy toa azy mihatra aminy.Ireo mararin'ny homamiadana sy ny "sclérose en plaques" - izay tsyafaka hanajanona na hanemotra ny famatsiana azy ara-pitsaboana.