Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Desambra, 2012

Iraniana-Amerikana Mitady Olona Be Herim-po Hanavotra Aina

Mitady olona be herim-po ny mpiserasera Iraniana. Tsy ho amin'ny revolisiona na ady, fa mba hanavotr'aina. Nasim, tanora vehivavy Iraniana avy ao Avaratr'i Kalifornia no mila taova tsokan-taolana (moelle osseuse) atao grefy. Nanafaingana ny hetsika ireo Iraniana malaza marobe mba hanampy amin'ny fanaparitahana ny hafatra ho fanavotana azy. Nampiasa ny tambajotra...

Hetsika “Voafonja Ny Latsabatoko” Hanohanana Ireo Mpitarika Ny Mpanohitra Ao Iran

Naraha-maso akaiky nandritra ny 650 andro ireo mpirotsaka amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena teo aloha sy lehiben'ny Hetsika Maitso, Mir-Hossein Mousavi, sy Mehdi Karroubi, miaraka amin'ny vadin'i Mousavi, Zahra Rahnavard. Nitodika tany amin'ny media sosialy ny vondronà Iraniana mpampiasa aterineto mba hanairana sy hanosehana ny famoahana an'ireo voafonja noho ny fanehoan-kevitra...

Misy Manafika Ny Iraka Diplaomatikan'i Iran

Notafihan'ny Iraniana sy ny Afghana noho ny antony samihafa, tao anatin'ny herinandro vitsivitsy izay, ny iraka diplaomatikan'i Iran manerantany.

Graffiti ao Téhéran

Tsy mba malaza amin'ny fahalalahana maneho hevitra i Iran na amin'ny fihetsiketseham-bahoaka eny an-kalamanjàna. Saingy manjaka ao kosa ny zavakanto an-tanàn-dehibe; raha mandravaka ireo rindrin'ny tanàn-dehibe sasany ny sary natao mivantana tamin'ny rindrina, kanto avy amin'ny fanambatambarana poti-bato (mozaika) ary ny hosodoko hafa ‘nekena’ (nahazo alalana) na dia tsy miharohary...

Iran: Nofaranan'Ilay Mpisolovava Nogadraina Nasrin Sotoudeh ny Fitokonana Tsy Hihinan-kanina 49 Andro Taty aoriana

Feno hafaliana ny tontolom-bilaogy Iraniana rehefa voatatitra fa namarana ny fitokonana tsy hihinan-kanina ilay mpisolovava sady migadra noho ny fanehoan-kevitra Nasrin Sotoudeh [mg] 49 andro taty aoriana.

Iran: Famaizana Sy Tsy Fahampiana, Kitapo Foana Ho An'ny Fiahiana Fahasalamana

Tato ho ato, nametra-panontaniana momba ny andraikitry ny governemantany amin'ny tsy fahampian'ny fanafody ry zareo Iraniana. Mitana toerana betsaka ny famaizana, saingy toraka izany koa ny tsy fahaiza-manao sy ny kolikoly. Ity lahatsoratra ity dia manangona ireo fanehoankevitra momba ny olan'ny fahasalamana avy amin'ireo Iraniana.