· Jolay, 2018

Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Jolay, 2018

Fijoroana Kiorda: vaovao isan-karazany

Manohy mitantara ny zava-niainany tamin'ny fampianarana tao Avaratr'i Iraka/Atsimon'i Kurdistan i Talk about the Passion. Miteny mafy i Thunder ao amin'ny toerana onenany ankehitriny ary misy voalavo ao aminy, saingy toa mankafy ny fitoerany izy ary hankalaza ny herintaona nampianarany tao Kiordistana.

19 Jolay 2018

Hatezerana sy loza tao UCLA, Vono olona tao Iran

Araka ny tatitra tamin'ny haino aman-jery, imbetsaka torana noho ny fandoroana azy tamin'ny herinaratra (taser) i Mostafa Tabatabainejad, mpianatra UCLA ary avy eo noentina notazonina rehefa tsy nahavita niala ny Laboratoara CLICC tao amin'ny Tranomboky Powell ao UCLA tamin'ny fomba ara-potoana.

14 Jolay 2018

Tafatafa amin'i Kosoof, Bilaogeran-tsary Iraniana malaza

Bilaogeran-tsary malaza i Arash Ashoorinia izay efa nahazo ny loka Reporters Without Borders tamin'ny fifaninanana BOBs (Bilaogy Tsara Indrindra) nokarakarain'ny Deutsche Welle fampielezan-tsary Alemàna ny bilaoginy, Kosoof. Nanana fahafahana nitafatafa tamin'i Arash i Hamid Tehrani ato amin'ny Global Voices.

14 Jolay 2018

Te ho maritiora ve sa tsia

Ao Iran, misy olona milaza ny tenany ho te-ho martiora ary manao hetsika ao an-tanàna mba haneho ny fahavononany ho faty ho an'ny Repoblika Islamika. Herinandro vitsy lasa izay, nanasa bilaogera maromaro manana fomba fijery samihafa mba hizara ny hevitr'izy ireo momba ireo te-ho maritiora i Mohammad Masih.

13 Jolay 2018