Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Febroary, 2010
Iran: tsy nisy hora-pandresena ho an'ny hetsi-panoherana maitso nandritra ny fetin'ny revolisiona
Nanomana fihetsiketsehana ny mpanohitra avy ao amin'ny Hetsika Maitso tamin'ny tanàna maro manerana an'i Iran nandritra ny fankalazana ny revolisiona Iraniana tamin'ny 11 febroary saingy Tsy nahavory olona maro tahaka ny...
Iran: Feon-kira Maitso hanohanana ny Hetsika Fanoherana
Feon-kira iray ho an'ny finday izay mampirisika ireo tanora Iraniana handeha any amin'ny vava ady sy hitolona nandritra ny ady teo amin'ny Iran sy Iraka tamin'ny 1980 dia miverina indray ankehitriny ho firaisan-kina amin'ny fanoherana. Mitantara ny fihetsik'ireo mpitoraka blaogy momba io hira 'Ey Iran' io i Hamid Tehrani.
Iran: Mpitoraka blaogy roa ahiana hovonoina ho faty
Any ambadiky ny "barreaux" noho ny fanamelohana mavesatra ireo mpitoraka blaogy Iraniana roa, izay mpiaro koa ny zon'olombelona. Mehrdad Rahimi sy Kouhyar Goudarzi dia voaheloka ho niantsy “ady tamin'Andriamanitra,” ary voatondro ho “Mohareb” (fahavalon'Andriamanitra). Mitovy ny nanamelohana ireo lehilahy roa novonoina tany Tehran tamin'ity herinandro ity ny nanamelohana azy ireo.