Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Septambra, 2011
Iran: Fahatezerana Manoloana Ilay Lahatsary Mampiseho Fampijaliana Orsa
Nanomboka ity raharaha ity raha namoaka lahatsary mampiseho “mpihaza” avy any Samirom faritanin'i Isfahan namono orsa volontany sy nampijaly ny zanany ho toy ny kilalao eo anoloan'ny fakantsary ny Fikambanana Iraniana...
Iran: Taosary Fanoherana Mba Hamonjena ny Farihy Urmia
Nidina an-dalambe indray ireo mpanohitra ny Alatsinainy teo tany Ardabil, any amin'ny faritr'Azarbaijan any Iran, ho fangatahana ny fanavotan'ny governemanta Iraniana ny Farihin'i Urmia. Mitatitra i Fred Petrossian.
Iran: Vehivavy Iray Mpitoraka Bilaogy Voakaravasy in-50
Ireto ireo teny nosoratan'ilay Iraniana mpitoraka bilaogy Somayeh Tohidloo[fa] tanatin'ny bilaoginy taorian'ny nikaravasiana azy in-50 tany amin'ny fonjan'i Evin ny 14 Septambra 2011: Mifalia, satria raha ny hanala baraka ahy no tanjonareo, ambarako fa mararin'izany famerezan-jo izany ny tenako iray manontolo
Iran : Hetsi-Panoherana Miha mafana Ho Fanavotana ny Farihin'i Urmia
Niverina nameno ny lalam-ben'i Tabriz sy Urmit ao amin'ny faritanin'i Azerbaijan ao Iran indray ireo mpanao hetsi-panoherana an'arivony ny Sabotsy 27/ Aogositra 2011 teo hangataka ny governemanta Iraniana mba hiaro ny Renirano urmia izay efa miha-ritra
Iran:”Fifohazan'ny Islamika” Sa Fandresen'ny OTAN Ao Libya.
Manohy am-pahalinana tokoa ny fanarahana ny fivoaran'ny toe-draharaha any Libya ny vahoaka Iraniana, ka mirona tanteraka any amin'ny tontolon'ny aterineto amin'ny fanaovana tsikera, lahatsoratra ary bitsika.
Iran: Mitsikia, Mamaky Ny Mailakao Ny Fitondrana
Nitombo isa ireo mpamaham-bolongana Iraniana nanambara ny tebitebiny rehefa nandre fa ny fitoera-mailaka Gmail dia mety ho boky mivelatra hovakian'ny fitondrana Iraniana ary nokendreny tamin'izany ireo mpisintaka tato anatin'ny roa volana izay