Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Mey, 2015
Tolotra Vaovao Avy Amin'ny Basij Militia (Milisy) Any Iran, Ahafahan'ny Fanjakana Mahita Ireo Resadresaka Rehetra

Hampiasa ireo lohamilina an'ny Basij ary tantànany ilay tolotra vaovao fandefasana hafatra, izay afaka alaina maimaimpoana ankehitriny, manome mora foana ho an'ny vondron-tafika ivelan'ny fanjakana sy ireo mpitsikilo ny fahafahana miditra sy manara-maso ireo fifampiresahana rehetra ataon'ny mpampiasa azy io.
Manomboka Fiaraha-miasa Vaovao Amin'ny Fanentanana Iraisampirenena Momba ny Zon'Olombelona Ao Iran ny Global Voices
Miankina amin'ny fanadihadian'ny Fanentanana sy ireo ekipa manampahaizana ny Global Voices rehefa mitatitra ny olana goavan'ny zon'olombelona ao Iran, ka tena faly izahay mandray ity fiarahamiasa vaovao ity mba hanatsarana ny pejy Iran ato amin'ny Global Voices.
Mahatsiaro Ny Tsingeritaona Nahavoafidy Ny Filoha Teo Aloha Khatami Ao Amin'ny Twitter Ny Iraniana Reformista
Malaza ny diezy Twitter #faharoaniKhordadaho ho fankalazana ny nahavoafidy ny filoha reformista teo aloha Mohammad Khatami tamin'ny taona 1997.
Nahemotra Ny Famoahana ny Didim-pitsarana An'ilay Mpanakanto Iraniana Any Am-ponja, Atena Farghadani

Nanambara ny mpitsara fa havoaka ao anatin'ny herinandro na 20 andro ny didim-pitsarana ofisialy momba an'i Atena Farghadani. Mandritra izany, mbola notazomina any am-ponja izy.
Mpiangaly Rap Afgàna Nandositra Fampanambadiana Zatovo Tamin'ny Fihirana Momba Izany
Monina sy mianatra ao Etazonia ankehitriny i Sonita Alizadeh, mpiavy avy ao Afghanistan, ary mamoron-kira sy mihira ho amin'ny rariny ara-tsosialy ao Afghanistan.
Hiakatra Fitsarana Noho Ny Sariitatra Nataony Momba Ny Fanabeazana Aizana Ao Iran i Atena Farghadani

Hiakatra fitsarana amin'ny Talata 19 May ilay mpikatroka sady mpanakanto Atena Farghadani noho ny sariitatra nataony mitsikera ny governemanta Iraniana.
Fifandonana Tao Mahabad, Iràna, Taorian'ny Fahafatesana Nahatonga Resabe Nanjo Mpiasa Vavy Amin'ny Hotely
"Zavatra iray ny hoe Kiorda any Iran ary iray hafa mihitsy ny hoe vehivavy Kiorda. #RarinyHoAn'iFarinaz."
Gazetiboky Sangany Ao Iran, Naato Taorian'ny Niresahany Momba Ny Tokantrano Maso Ivelan'ny Fanambadiana
Milaza i Shahla Sherkat, tonian-dahatsoratra, fa mbola antenainy ny hahafahany handresy lahatra ny fitsaràna hamela ny fiverenan'ny fanontàna indray. Araka ny tatitra dia noho ny fanoratan'ny Zanan-e Emrooz momba ny "fanambadiana fotsy" no nampiatoan'ny Kaomity Mpanaramaso ny Asa Fanaovana Gazety Ao Iran azy.