Torolalana mibilaogy miafina anarana amin'ny WordPress sy Tor amin'ny teny Persiana

(Tetikasa taloha tamin'ny septambra 2009)

[download#18#nohits]

blog_guide_persian-header

Efa misy amin'ny teny Persiana noho ny fandikan-teny nataon'ilay bilaogera Iraniana sady namana te-hijanona tsy hotononina anarana Ny torolalana mibilaogy miafina anarana amin'ny WordPress sy Tor.

Manasongadina fomba maromaro hiarovana ny mari-panondroana hisorohana ny valifaty ny torolalana ary afaka mampihena be dia be ny loza amin'ny zavatra soratany an-tserasera mety hamantarana azy ny fitaovana teknika.

Ny به کمک تُر و وردپرس، ناشناس وبلاگ بنویسید dia azo trohana amin'ny endrika PDF. Mety mila mametraka ny Adobe Acrobat Reader maimaimpoana ianao raha hijery izany. Raha sendra olana ianao amin'ny fijerena ny endrika PDF an-tserasera, dia andramo ity endrika HTML mampifandray sy naman'ny bilaogy ity.

Trohy azafady ny torolàlana ary ampio izahay hanaparitaka ity fampahalalana manan-danja ity. Aza misalasala koa manampy anay handika ny torolàlana amin'ny fiteninao.

Efa misy amin'ireto fiteny manaraka ireto ny torolalana:

Anglisy
Frantsay
Portiogey
Arabo
Shinoa
Italiana

Raha mila fanazavana fanampiny dia mifandraisa aminay ao amin'ny advocacy [ at ] globalvoicesonline [ dot ] org

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.