Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Jona, 2011
Iran: Firaisan-kina amin'ireo gadra mitokona tsy mihinan-kanina
Nisy ireo fihetsiketsehana nokarakaraina nanerana ny tanàna 25 fara-faha keliny maneran-tany ny Sabotsy 25 Jona 2011, mba hanehoana ny firaisan-kina amin'ireo gadra politika miisa 18 eo ho eo izay mitokona tsy mihinan-kanina any amina fonja Iraniana roa. Natombok'ireo gadra politika izany fitokonan'ny hanoanana izany tamin'ny fahafatesan'ny mafana fo ara-politika roa, Reza Hoda Saber sy Haleh Sahabi.
Iran: Hetsika Tselatra tao Paris Manamarika ny Roa Taonan'ny Fifidianana
Tamin'ny 12 Jona 2011 no nanamarika ny faha-2 taona nisian'ny fifidianana nampifanolana tao Iran, Nandrindra hetsika tselatra tao amina gara metro iray tao Paris ny United4Iran sy Move4Iran ho fanairana ny fisian'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Iran.
Iran: Maty Nandritra ny Fandevenana ny Rainy ilay Vehivavy Mafàna Fo Amin'ny Fiarovana ny Zon'ny Vehivavy
Haleh Sahabi, maty omaly maraina ny vehivary iraniana iray mafana fo amin'ny fiarovana ny zon'ny vehivavy noho ny herisetra nataon'ireo mpitandro filaminana nandritra ny fandevenana an-drainy, Ezatollah Sahabi, tia tanindrazana sady mpitarika politika ela nihetezana.
Iran: Bilaogera momba ny Tontolo Iainana Torian'ny Manampahefana Eny Amin'ny Fitsaràna
Houman Khakpour, bilaogera iray miresaka momba ny tontolo iainana ao Iran dia nenjehin’ny Biraom-panjakana Miaro ny Tontolo Iainana ao amin’ny faritanin’i Chahrmahal Bakhtyari, noho ny fampitandremany mikasika ny loza aterak’ilay tetikasa fametrahana fantsona fitaterana solika eo amin’ny tontolo iainana eo amin’ilay faritra.