· Marsa, 2019

Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Marsa, 2019

Iran: Natambatra ny sivana 

GV Mpisolovava

Nanambara ny manampahefana Iraniana fa ho atambatra ny politikan'ny sivana ao amin'ny firenena. Araka ny filazan'ny manampahefanan'ny Repoblika Islamika,  nahazo ny fifanarahana mba ho tompon'andraikitra amin'ny fanivanana ao amin'ny firenena ny orinasa Iraniana iray, izay tsy nambara ny anarany.

27 Marsa 2019

Vaovao farany momba an'i Hoder

GV Mpisolovava

Nisy tranonkala sy bilaogy nanoratra tao anatin'ny andro vitsivitsy fa nosamborina i Hossein Derakhshan, Hoder. Nilaza zavatra roa hanaporofoana izany tamin'ny filazana toy izao izy rehetra ireo: ny tatitra avy amin'ny tranokalam-baovao Iraniana Jahan News sy ny zava-misy fa tsy nanavao ny bilaoginy nandritra ny 2 herinandro i Hoder.

22 Marsa 2019

Iran: nosamborina indray i Khazali

GV Mpisolovava

Nitatitra i Shoorezar fa nosamborina indray tamin'ny herinandro lasa teo i Mehdi Khazali, bilaogera, mpamoaka lahatsoratra sady zanaka lahin'ilay mpitondra fivavahana malaza mpandala ny fivavahana sady mpikambana teo aloha tao amin'ny Vaomieran'ny Mpiambina, Ayatollah Khazali.

15 Marsa 2019

Polisy antserasera, Jeografia ao Iran

GV Mpisolovava

Nitatitra ny radiom-pirenena fa mikasa hanaparitaka "polisy antserasera" manerana ny firenena i Iran, nilaza ny Jeneraly Ahmadi Moghaddam fa "tsy misy fotoana hiandrasana" amin'ny fametrahana ny fiarovana farany an'ny Repoblika Islamika amin'ireo fahavalony tena izy sy fantany.

14 Marsa 2019

Iran: Bilaogera voadaroka tany am-ponja

GV Mpisolovava

Nilaza [fa] ireo mpikatroka ny zon'olombelona fa nodarohan'ny mpiambina tany am-ponja i Hossein Maleki Ronaghi, bilaogera nogadraina, rehefa avy nanoratra taratasy tany amin'ny manampahefan'ny fitsarana ao Iran ka nentina tany amin'ny hopitaly. Voasazy higadra 15 taona an-tranomaizina ity bilaogera ity.

13 Marsa 2019

Iran: Bilaogera voasazy higadra 17 volana

GV Mpisolovava

Voasazy higadra 17 volana an-tranomaizina i Peyman Roshan Zamir, bilaogera sady mpikatroka ara-politika avy ao an-tanàna atsimon'i Ahwaz. Voampanga ho nanevateva ny mpitarika ny repoblika Islamika sy nanao fampielezan-kevitra manohitra ny fitondrana izy.

12 Marsa 2019