Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Desambra, 2010
Iran: Mpitoraka blaogy kely taona indrindra maneran-tany voasambotra
Tsy fanta-daza eo amin'ny fanenjehana mpitoraka blaogy fotsiny ny governemanta Iraniana, fa mitàna ny laharana voalohany koa izy ireo eo amin'ny sehatra maro: nanomboka tamin'ny fampidirana am-ponja ny mpitoraka blaogy voalohany indrindra teo amin'ny tantara, hatramin'ny nahafatesan'ny mpitoraka blaogy voalohany tany am-ponja. Mampalahelo anefa, fa mbola misy zavatra hafa mbola mahatsiravina noho izany tokony ampidirina ao anatin'ny lisitry ny firenena Iraniana eo amin'ny fahaiza-manaony dia ny fisamborana sy fitsaràna mpitoraka blaogy kely taona indrindra.
Iran: “Voaheloka ho faty ny mpamorona tranokalam-betaveta iray”
Miatrika sazy fanamelohana ho faty any Iran i Saeed Malekpour, mpanangana tranonkala, noho izy voapanga ho nanaingo tranonkala natao ho an”olon-dehibe”. Tranonkala Iraniana vitsivitsy no nanoratra fa Malekpour no tena...
Iran: Miresaka ireo antontan-taratasin'ny Wikileaks ny mpitoraka bilaogy
Ireo antontan-taratasy momba ny Cablegate an'i Wikleaks dia nampiseho ireo fifamatorana maizina eo amin'i Iran sy Afghanistan; vaovao anatiny mikasika ny fitondrana Iraniana sy ny mpanohitra; ary ny tahotry ny...
Iran: Jiolahin'ny solosaina avokoa isika rehetra
Manana lalàna eo ampelatanany ahafahany miampanga ny mpampiasa aterineto rehetra ho jiolahy ny fitondrana Iraniana. Nolanian'ny antenimiera iraniana tamin'ny janoary 2009 ny "Lalànan'ny heloka eo amin'ny solosaina" (singany ao amin'ny andininy miisa 56) . Fitaovana nentina nanenjehana sy namaizana mpamaham-bolongana sy mpazoto an-tserasera izyio, nefa tsy mba nanaitra ny olo-tsotra sy ny mpandinika ireo andininy ireo.