Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Oktobra, 2010
Iran: Rahona mainty manambana ny tanànan'i Teheran
Sangany amin'ireo blaogin-tsary Iraniana i Kosoof, izay manapariaka saripika: rahona mainty manambana ny tanànan'i Teheran. Feno rahona ny tranoko, hoy izy ao amin'ny blaoginy.
Gresy: Mitokona tsy hihinan-kanina ireo mpitsoa-ponenana Iraniana
Mpitsoa-ponenana Iraniana dimy ambiroampolo ao Athens, Greece no nitokonana tsy hihinan-kanina nanomboka ny 14 Oktobra mangataka amin'ny manampahefana Grika mba handinika ny antontan-taratasy fangatahan'izy ireo fialokalofana ara-politika. Nanjaitra ny vavany ny sasany amin'izy ireo.
Iran: Dian'ny filoha Ahmadinejad tany Libanona
Vao nahavita ny fitsidihana roa andro tany Libanona ny filoha Iraniana, Mahmoud Ahmadinejad. Io fitsidihana amin'ny fomba ofisialy voalohany notontosainy hatramin'ny nandraisany fahefana tamin'ny 2005. Niresaka tamin'ny mpitondra fanjakana Libaney...
Iran: Sary andavanandron'ny zavakanto sy ny tantara Persiana
Tsy resaka politika sy fanoherana ihany tsy akory no ataon'ny olo-tsotra tia mampita hafatra, fa miresaka momba ny fiainana, ny zavakanto ary ny tantara ihany koa. I Vahid Rahmanian dia mpamaham-bolonga-tsary tia mamorona ka mamoaka ny sarin'ny toerana manantantara any Iran.
Mozika: Rakikira mampiray ireo mpanakanto nahilika sy nosivanina
Listen to the Banned [Henoy ireo voasakana] dia rakikira mampivondrona ireo mpanao mozika izay nahilika, nosivanina na naiditra an-tranomaizina noho ny mozika ataony. Ahitàna ireo mpihira avy any Afghanistan, Cote D’Ivoire, Irana, Israely, Libanona, Pakistana, Palestina, Sodana, Tiorky, Uighurstan sy Zimbabwe.