Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Marsa, 2011
Iran: Fanoherana Syriana “Sady tsy Iran No tsy Hezbollah!”
Niresaka momba ny hiakiaky ny mpanao fihetsiketsehana Syriana nandritra ny diabe alarobia lasa teo ny mpamaham-bolongana Iraniana sasantsasany fa tamin'io diabe io no nandrenesana hiaka hoe "Sady tsy Iran no tsy Hezbollah!". Naman'i Iran i Syria sady samy mpiakama rahateo amin'ny vondrona mpikatroka Hezbollah any Libanona.
Iran: Mpiandry saha miisa efatra nisaonan'ny mpitoraka bilaogy miaro ny natiora
Nanaitra ny mpitoraka bilaogy miaro ny natiora ny fahafatesan'ireo olona efatra mpiandry saha ao Iran vao haingana kely izay. Novonoina ary nesorina mihitsy ny ain'ireo tovolahy miisa efatra ireo tao...
Iran: Polisy vavy misahana ny andron'ny vehivavy erantany
Tamin'ny Talata 8 Marsa 2011 - Andron'ny vehivavy erantany - Nidina an-dalambe hihaika ny rafitra Islamika ao amin'ny fireneny ny mpanao fihetsiketsehana Iraniana (lahy sy vavy) . Tsikaritry ny mpamaham-bolongana iray ny fisian'ny mpitandro ny filaminana vehivavy.
Holandey-Iraniana maty novonoina tany Iran
Novonoin-ko faty tany Iran ny Holandey-Iraniana Zahra Bahrami taorian'ny nahitana fa meloka mikasika ny heloka mikasika ny rongony izy ary nomelohin-ko faty ny 2 Janoary. Nogadraina i Zahra Bahrami ny 27 Desambra 2009 raha toa izy ka nanatrika ny fihetsiketsehana manohitra ny governemanta araka ny vaovao voaray.
Iran: Fihetsiketsehana Ho Fanafahana Ireo Filohan'ny Mpanohitra (Lahatsary)
Nipoaka ny fihetsiketsehana tamin'ny Talata teo tany Iran, Shiraz, Isfahan, Tabriz, Mashhad sy tany aminà tanana maro noho ny faharenesana ny tatitra tamin'ity herinandro ity hoe nofonjaina ireo mpitarika ny mpanohitra Mir Hossein Moussavi sy Mehdi Karrubi, filazàna iray izay nolavin'ny manampahefana.
Iran: Mpitoraka Bilaogy Iray Nivavaka Mba Hahita Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Ho Voadaroka
Taorian'ireo hetsika maro nihanaka tany Iran tamin'ny 14 Febroary, nofenoin'ireo Iraniana mafàna fo an-tserasera taminà lahatsary ny aterineto, ary sary sy bitska avy eny amin'ny fihetsiketsehana. Mandritra izany fotoana izany, misy fomba filaza iray hafa mikasika ny hetsika. Ireo Islamista mpitoraka bilaogy sy mpomba ny governemanta koa dia niroborobo rehefa tonga ny fotoana hizaràn'izy ireo ny fonba fiheviny teo amin'ny aterineto.