Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Novambra, 2016
Izao Tontolo Izao Araka Ny Fomba Fijery Rosiana Mahazatra

Tamin'ny fiandohan'ny volana Novambra, nanamarika tampoka ny fanohanany ilay lalàna federaly vaovao natao mba hanazavana ny faneken'ny governemanta ofisialy "ny firenena Rosiana" i Vladimir Putin.
Mety Hampidi-doza an'i Iran Ny Fifanakaikezan'ireo Mety ho Mpikambana Kabinetran'i Trump Amin'ireo Mpanandratra Olon'ny MEK

Mety hiteraka fiovan-kevitra mampatahotra an'i Etazonia tarihin'ny filoha voafidy Donald Trump manoloana an'i Iran ny fahitana ny fifanakaikezan'ireo olobe sasantsasany ao aminy amin'ireo vondrona mpitolon'ny MEK.
Manempotra An'i Tehran Indray ny Setroka
Ao anatin'ny setroka ny renivohitr'i Iran, nahazo tsiny avy amin'ireo mpitrifana ny fitondrana.
Keywan Karimi ao Iran: Mpamokatra Sarimihetsika Sady Artista Graffiti

Miasa ambanin'ny fandrahonana hampidirana azy am-ponja noho ny fanatontosana ny sangan'asany , nanova ny toe-javatra sarotra ao amin'ny fanatsaran'endrika (estetika) ilay Iraniana mpanatontosa sarimihetsika Keywan Karimi.
‘Tsia’ Ho An'ny Lalàna Hijab Ao Iràna Hoy Ilay Indiana Mpitifitra, Heena Sidhu, ary Mitambatra Aoriany Ireo Tambajotra Sosialy
"Niala tsy hiady ny Tompondakan'ny Poleta Rivotra Aziatika ao Iràna noho ny lalàna tsy maintsy arahina mikasika ny hijab i Heena Sidhu. Lalàna adaladala. Ary, hetsika feno herim-po''
Ho an'ireo Iraniana Sasany Manaraka Ny Fifidianana Amerikana, Toa Tahaka Ny “House of Cards” Tokoa ny Demaokrasia

Ho an'ireo Iraniana sasany, voamaloky ny fandrendraham-bahoaka ny fididianana filoham-pirenena Amerikana 2016, toe-javatra efa niainan'izy ireo teo amin'ny tontolo ara-politikan'izy ireo manokana nandritra ny tolona hisian'ny demaokrasia.
‘Ny Aiko Ho An'i Iràna': Tsingerintaona Faha-4 Nahafatesan'ilay Iraniàna Mpikatroka, Sattar Beheshti

Lasa nanjary fanahin'ny fanoherana ao Iràna i Sattar Beheshti, ao anatin'ny tolona mitohy hanoherana ny famoretan'ny governemanta sy hisian'ny fahalalahana maneho hevitra.