Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Aogositra, 2015
Zanakalahin'ny Mpanohitra Mpitarika Ny Hetsika Maitso Manohana Ny Fifanarahana Ara-nokleary Iraniana
"Amin'ny maha-Mpampianatra lalàna noraràna tsy hampianatra ao Iran, sady mpikatroka mpanohana ny demokrasia. manohana tanteraka ny fifampiraharahana ara-nokleary aho," Hoy i Mohammad Taghi Karoubi tamin'ny lahatsary.
Na dia Teo Aza ny Fampanantenan'ny Filoha Rouhani, Mbola Misy Hatrany ny Filma Voarara ao Iran
Nampitombo ny fanantenana ny fanambaran'ny filoha Rouhani nandritra ny fampielezan-keviny fa hivoaka amin'ny trano fijerena sinema amin'izay ireo filma voaràra raha voafidy izy. Saingy tsy izay no niseho.
Fantadaza iray amin'ny fanaovana fihetsiketsehana ao Iran manatevin-daharana ny fanoherana ny fifampiraharahana ara-nokleary
Niteraka resabe tao amin'ny media sosialy vao haingana noho ny fiampangany miharihary ny fifampiraharahana ara-nokleary nosoniavina tamin'ny 14 Jolay teo amin'i Iran sy ny P5 + 1 i Batebi.
Iraniana Mandrindra Hetsika Manerantany ho Fanohanana ny Fifanarahana ara-Nokleary amin'i Iran
"Tsy fantatro mihitsy hoe iza no nanao izao fa karazany tena mampihiratra ny maso mihitsy."
Resaka Tamin'i Nina Ansary, Mpanoratra Mpivohy Ny Miralenta, Ny Harivan'ny Fiovàna Tany Iràna
Tafaresaka amin'ny mpanoratra ny 'Jewels of Allah', boky vaovao manazava momba ny miralenta any Iràna amin'izao fotoana izao i Mahsa Alimardani.
Tsy navela hamaly ny fiampangan'ilay mpampanoa lalàna Iraniana ny mpisolovavan'ilay mpanao gazety
Heverina hivoaka ao anatin'ny herinandro ny didim-pitsarana amin'ny fiampangana an'i Rezaian, izay ahitana ao anatiny ny “fitsikilovana” sy ny “fiarahamiasa amin'ny fanjakana fahavalo,” hoy ny mpisolovavany Leila Ahsan tamin'ny ISNA.
6 Taona Taorian'ny Namonjana Azy, Milaza Ilay Rain'ny Bilaogy Iraniana Fa Niova Ho Ratsy Ny Aterineto Ankehitriny
Voafonja nandritra ny enin-taona i Derakhshan, mpanoratra taloha tao amin'ny Global Voices, noho ny fitorahany bilaogy. Mitsikera ny toetry ny aterineto ankehitriny ny lahatsorany voalohany amin'ny teny anglisy, hatramin'ny nivoahany ny fonja.
Novahan'i Iran tamin'ny ampahany ny fandrarany ny BBC
Manana ny lanjany tokoa ny fampahalalam-baovao any amin'ny firenena manara-maso akaiky ny zavatra avelany hivoaka ho hitan'ny vahoakany. Mila alalana manokana mihitsy vao afa-manangom-baovao tahaka izao atao amin'ny BBC World izao. Ny antsika Malagasy anefa ity toa misy avela hiteniteny foana.
Gazety Henja-Pisainana Nakaton'i Iran fa Nanohitra ny Fifanarahana ara-Nokleary
Na mpanohana ny fitondrana aza dia mety akaton'ny birao mpanaramaso ny gazety ao Iran.
Sambany Nanokatra Departemantan'ny Teny sy Haisoratra Kiorda Ny Oniversiten'i Kurdistan Ao Iran
Nanambara i Bakhtiar Sajjadi, filoha vaovaon'ny departemantan'ny teny sy ny haisoratra Kiorda vao nosokafana tao Iran fa mpianatra 40 no noraisina hanomboka ny fianarana amin'ny volana Oktobra hoavy io.