Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Janoary, 2016
Hafatra An-Dahatsoratra Ve No Nitarika Ny Fisamborana Ilay Gadra Iraniana-Amerikana Navotsotra Vao Haingana?
Another prisoner released in the swaps, Nosratollah Khosravi-Roodsari, appears to have been arrested to due to mass surveillance by Iranian authorities. His SMS messages were surveilled.
Manohy Ny Haratsian-Dohany Ny Fikorontanan'ny Toetrandro Tamin'ny 2015
Tratran'ny toetrandro faratampony ny olona manerana izao tontolo izao tamin'ny 2015, andro nafana indrindra voarakitra hatramin'izay.
Aza Mampihomehy Milaza An'i Obama Ho Manana “Fototra Shiita” Eo Ry Lefitry Ny Lehiben'ny Polisin'i Dubai a!
Ny fisainan'ny Lehibe Lefitry ny Polisy ao Dubai dia hoe vita ny fifanarahana tamin'i Ira satria manana fototra Shiita i Obama. Namaly izany tao amin'ny fampitam-baovaon'olon-tsotra ny Arabo sy ny Iraniana.
Safiotra Iraniana-Britanika Mpanao Gazety, Mibitsika Ny Niainany Ny Fanakanana Azy Tsy Hiakatra Tao Anaty Sidina Ho Any Etazonia
"Tsy afaka nanatrika ny fety fankalazàna ny nahaterahan'ny anadahiny amerikàna ny zanako ilay olompirenena #Britanika feno satria ny reniny teraka tany Iràna," hoy i Rana Rahimpour nanoratra nanazava ny fomba nanakanan'ireo fameperana vaovao azy tsy handray ny sidina.
Fampihavanana Iraisampirenena Tamin'ny Alalan'ny Famotsorana Ireo Iraniana-Amerikana, Ankehitriny Ilaina Ny Fampihavanam-Pirenena Sy Ny Famotsorana Iraniana Gadra Politika
“Raha mariky ny fanirian'i Iran hihavana amin'ny iraisampirenena izao famotsorana izao, dia tsy maintsy irosoana ihany koa ny fampihavanam-pirenena...” hoy i Hadi Ghaemi tamin'i ICHRI.
Tsy Adin'ny Sionita Sy Ny Shiita Ny Fifandonana Ao Afovoany-Atsinanana, Ary Tsy Efa An'Arivo Taona Tany Aloha Akory
"Voazarazara ho sekta ve ilay faritra? Eny. Tena misy ve ny fahasamihafàna? Eny. Vokatry ny fifandirana ara-teolojia fahagola ve ny ady ankehitriny? Tsia," hoy i Iyad El-Baghdadi mibitsika momba ilay antsoina hoe hantsana eo amin'ny Sionita sy ny Shiita.
Zam Zam Cola, Mariky Ny Fotoana Ara-diplaomatika Mahafinaritra Kokoa Eo Amin'i Iran sy Arabia Saodita
Mihenjan-droa ny tady eo amin'i Iran sy Arabia Saodita. Namarana ny fifandraisana ara-diplaomatika i Saodita, ary nandràra ny fanafarana entana Saodiana i Iran. Ahoana kosa ny amin'ny Zam Zam Cola malaza ao Iran?
Amin'ny Politika Repoblikana Ao Etazonia, ‘Tsy Voatery Miala Tsiny Raha Mankahala An'i Iran’
Nanjary lasa adihevitra amin'ny zavatra tsy misy sy fanaratsiana an'i Iran ny adihevitra Repoblikana.
Amsterdam: Sahand Sahebdivani Sy Ny Fiventesany Tantara Mahatalanjona (Ampahany 1)
Ao anatin'ity tafa misy andiany roa niarahany tamin'ny Global Voices, resahan'i Sahand Sahebdivani ny momba ireo fifankahitàna ara-kolontsaina, ireo vehivavy maherifo any anatin'ny angano Persiana, ny tanjaky ny fiventesana tantara ary ny hevitry ny fifangaroana, fifanakalozana kolontsaina.
Famoretana Ataon'ny Milina Mibaiko Tenan'ny Ayatollah Amin'ny Twitter, Ireo Mpanao Gazety No Mizaka Ny Tsy Natao
Marobe ireo mpanangona vaovao no voabahana ao amin'ny Twitter noho ny nandefasany vontoaty mifandraika amin'i Khamenei sy ny fampielezankeviny.