Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

“Nosamborina” tany Teheran ilay bilaogera Iraniana Hossein Derakhshan  

(Marihina fa tamin'ny volana Novambra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Araka ny tranonkala Jahan News, nosamborina tao Tehran ilay bilaogera Iraniana, Hossein Derakhshan (fantatra amin'ny anarana hoe Hoder), bilaogera mavitrika izay nolazaina matetika ho rain'ny tontolon'ny bilaogy Iraniana. Niverina tany Iran i Hossein tokony ho 3 herinandro lasa izay  (Novambra 2008) ary nohadihadiana satria noahiahiana ho nanao fitsikilovana ho an'ny fanjakana Isiraely. Araka io loharanom-baovao io ihany dia toa niaiky i Hossein fa nandray anjara tamin'ny hetsika fitsikilovana ho an'i Isiraely. Tamin'ny volana Janoary 2006, nitsidika an'i Isiraely tamin'ny zom-pirenena Kanadiana i Hossein ary nibilaogy am-pahibemaso momba ny diany toy ny hoe fandravana ny fady lehibe :

This might mean that I won’t be able to go back to Iran for a long time, since Iran doesn't recognize Israel, has no diplomatic relations with it, and apparently considers traveling there illegal. Too bad, but I don't care. Fortunately, I'm a citizen of Canada and I have the right to visit any country I want. I'm going to Israel as a citizen journalist and a peace activist.

Mety midika izany fa tsy ho afaka hiverina any Iran mandritra ny fotoana maharitra aho, satria tsy mankatoa an'i Isiraely i Iran, ary tsy manana fifandraisana ara-diplaomatika aminy, ary toa heveriny fa tsy ara-dalàna ny fandehanana any. Tena ratsy izany kanefa tsy miraharaha aho. Soa ihany, fa mizaka ny zom-pirenena Kanadiana aho ary manan-jo hitsidika ny firenena izay tiako. Nankany Israely aho amin'ny maha olom-pirenena mpanao gazety ahy sady mpikatroky ny fandriampahalemana.

Tamin'ny fotoana nanoratana dia tsy mbola nisy ny fanamafisana ny fisamborana an'i Hoder avy amin'ny loharanom-baovao hafa

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.