Lalàna vaovao ho an'ny mpikatroka antserasera

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2010)

Mampiseho ny tatitra avy any Iran fa miha-sarotra sy mampidi-doza ny fepetra ho an'ireo mpikatroka antserasera.

Vao haingana ny mpampanoa lalàna Iraniana no namoaka lisitra momba ny heloka bevava amin'ny aterineto. Milaza ny iray amin'ireo lalàna manan-danja ao anatin'izany lisitra izany fa voaràra ny fizarana rohy mankany amin'ny rindrambaiko na fitaovana fialàna amin'ny sivana. Voaràra ny lalàna ihany koa ny mampianatra ny olona hiala amin'ny sivana. Ankoatra izay, dia meloka ireo olona mizara tranonkala voaràra amin'ny endrika rohy.

Vao haingana ihany koa ny polisy Iraniana no namoaka fanambarana nilaza fa hanaramaso ny aterineto ny polisy ary hohadihadian'ny polisy ireo olona mavitrika ara-politika amin'ny aterineto.

(hajian-tsary avy amin'ny bbc)

Taorian'ny Andron'i Ashura tao Iran, niampanga ireo tranonkala sasany amin'ny fanangonana sary misy ireo miaramila milanja entana sy manao fanazaran-tena izay manimba ny endrika Islamika ao amin'ny firenena i Khoramabadi avy amin'ny mpampanoa lalàna Iraniana. Mikendry ny hanamarina ny fanakanana tranonkalam-baovao maro ny fiampangana toy izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.