Nosakanan'i Iran ny fidirana ao amin'ny Google sy Gmail

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Septambra 2007)

Nosakanin'i Iran ny fidirana amin'ny mili-pikarohana Google sy ny tolotra mailaka maimaimpoana an'ny Google Gmail, hoy ny sampam-baovao Mehr androany. “Afaka manamarina aho fa voasivana ireo tranonkala ireo,” hoy i Hamid Shahriari, sekreteran'ny Vaomieram-Pirenena misahana ny fampahalalam-baovao iraniana.

Vaovao farany: “Noho ny fahadisoana, dia voasivana ny tranokalan'i Google ny alahady hariva saingy efa voahitsy ny fahadisoana ary azo ampiasaina ankehitriny ny Google sy ireo tranonkalany hafa isan-karazany tahaka ny Gmail,” hoy ny manampahefana iray avy amin'ny orinasam-pifandraisan'ny fanjakana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.