Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Febroary, 2015
Sekoly Iraniana Manameloka Ny Fanavakavahana Mihatra Amin'ny Afgàna amin'ny Alalan'ny Hetsika #Menatra
Matetika miatrika fanavakavahana mieli-patrana sy miaina fanilikilihana ataon'ny Iraniana ireo mpitsoa-ponenana Afgàna ao Iran. Ka natomboka ny hetsika #menatra ho fanoherana izany.
Fanjavozavoana Manoloana Ny Famonoana Ho Faty An'i Saman Naseem Ao Iran
Niparitaka tamin'ny aterineto ny tatitra marobe mifanipaka momba ny famonoana an'i Naseem sy ny hoe mbola any am-ponja izy.
Tafiotram-Pasika Nanempotra Namely An'i Iran
Noresahan'i Arseh Sevom tamin'i Sam Khosravi, mpikaroka momba ny tontolo iainana ny momba izay niavian'ireo tafiotram-pasika mamely an'i Iran sy izay mety ho vahaolana.
Miteraka Fanontaniana Vaovao Momba Ny Fanafihana Natao Ny AMIA Ny Nahafatesan'ilay Mpampanoa Lalàna Arzantina
Miteraka fanontaniana vaovao momba ny Fanafihana natao ny AMIA tany amin'ny 20 taona lasa ny nahafatesan'ilay Mpampanoa lalàna Arzantina, Alberto Nisman, fanafihana nahafatesana olona 85 sy naharatràna 300 hafa, ny ratsy indrindra taorian'ny vono faobe natao ny Jiosy.
#SaveSaman: Ezaka Farany Hamonjena An'i Saman Naseem Ao Iran Tsy Hovonoina Ho Faty
Nisy ny antso maika hanaovana hetsika hampitsaharana ny fanamelohana ho faty an'ilay tovolahy Saman Naseen, voasambotra teo amin'ny faha-17 taonany (22 izy izao), noho ny naha-mpikambana azy tao anaty vondrona mpanohitra mitam-piadiana. Nanao antso ny Amnesty International mba hanaovana hetsika hanakanana ilay famonoana kasaina hatao anio Zoma 19 Febroary
Very An'Iza Isika Amin'ny Fanivànana Sy Fifehezana Ny Aterineto?

"Very amin'io sivana sy fanarahamaso atao amin'ny aterineto io ny fahafahantsika ny ho tena ilay isika miafina ao anaty ao – ilay iray izay isika rehefa tsy misy na iza na iza intsony eo amin'ny manodidina."
Iran: Tandindonin-doza Ny WhatsApp, Line sy Tango – Tsy Mifanara-tsaina Ny Filoha Sy Ny Fitsarana

Nolavin'ny Minisitry ny Kolontsaina, Ali Jannati, ny hiteny hoe ny governemanta no nanomana ny fametrahana fandraràna ny tolotr'ireo fampiasa telo ireo, saingy nohamafisiny fa mbola mijanona ho azo idiran'ireo mpampiasa aterineto ao Iran izy ireo
Gazety Iraniana Nakatona Noho Ny Pejy Voalohany Manasongadina Ny ‘Charlie Aho’ Ahitàna An'i George Clooney
Mipitika havia havanana ny gazety Iraniana, eo anelanelan'ny fanamelohana ilay herisetra tao Parisy sy ny fanenjehana ny manampahefana ary ry zareo samy zareo, noho ny fanehoankevitra nasetry ireo fanafihana.