· Jona, 2017

Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Jona, 2017

Syria: Fahanginana Manoloana Ny “Famonoana Faobe Goavana Kokoa”

  26 Jona 2017

Tamin'ny 29 Febroary, nandrahona ny "Famonoana Faobe Goavana kokoa" ho an'ny Palestiniana i Matan Vilnai, Minisitra lefitry ny Fiarovana ao Israely. Mampitaha ity fanehoan-kevitra ity amin'ny fahanginan'izao tontolo izao i Damascene Blog sy ny fisahotahana manoloana ny antson'ny filoha Iraniana Mahmoud Ahmadinejad tamin'ny 'famafana an'i Israely eo amin'ny sarintany."

Iran: Bilaogera Mihetsika Ho An'ny Zon'ny Biby

  26 Jona 2017

A number of bloggers are supporting an initiative by Iran-based blogger Mino Saberi, to defend the rights of dogs, birds, cats, and other creatures of the Earth. The mistreatment of animals is common in Iran, and bloggers are asking national television to stand up for their rights. Maro ny bilaogera no nanohana ny hetsika nataon'ny bilaogera monina ao Iran Mino Saberi , mba hiarovana ny zon'ny alika, ny vorona, ny saka, sy ny biby hafa eto ambonin'ny tany. Fahita ao Iran ny fampijaliana ny biby, mijoro ho an'ny zon'ireo biby ireo ny bilaogera sy ny fahitalavim-pirenena.

Iran: Tantara Ratsy Ara-nofo Nivoaka Tamin'ny Mediam-bahoaka

  22 Jona 2017

Tamin'ny fiandohan'ity volana ity, nandrakitra sy nampiditra lahatsary misy ny filoha lefitry ny sekolin'izy ireo, Hassan Madadi, miaraka amin'ny lobaka tsy mihidy, voalaza fa miomana hanao firaisana ara-nofo amin'ny mpianatra vehivavy ireo mpianatra ao amin'ny Oniversite Avaratra-Andrefan'i Iran,

Iran: Tetikasa Cheetah sy Sabalan Mahafinaritra

  20 Jona 2017

Misarika ny masontsika amin'ny sary mahafinaritra misy ny tenndrombohitra Sabalan ao avaratra-andrefan'i Iran ilay bilaogera malaza mpaka sary Mohammad Darvish. Fomba tsara hanombohana ny herinandro sy manohy mandrakotra ny feon'izao tontolo izao.

Mihetsika Hamonjy Ny Vakoka Ao Iran Ny Bilaogera Iraniana!

  16 Jona 2017

Namoaka ny " Loza mitatao ho an'ny Vakoka Iraniana ny tohodrano" ny gazety Guardian tokony ho 8 volana lasa izay. Tao anatin'ity lahatsoratra ity no nahafantaran'ny Iraniana ireo toerana ara-bakoka "maherin'ny 100 izay manandanja indrindra kanefa tsinontsinoavina ao Iran, anisan'izany i Pasargades tanàndehibe naorin'ny Mpanjaka Cyrus, ilay Andrarezina...

Ny Fomba Fijerin'ilay Bilaogera Soedoa An'i Iran

  16 Jona 2017

Bilaogera Soedoa iray i Jonathan Lundqvist izay nitsidika an'i Iran volana vitsivitsy lasa izay ary nizara ny zavatra niainany tamin'ny Global Voices tao anatin'ny antsafa iray. Namoaka sary maro tao amin'ny bilaoginy momba ny sivana, ny fiainana andavanandro ao Iran i Jonathan sady tsy hanadinony ihany koa ny hatsaran-tarehin'ilay firenena.