Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Aogositra, 2010

Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Aogositra, 2010

Fanakànana ny encyclopédie Wikipédia any Iran

Araka ny vaovao nivoaka tamin’ny teny Anglisy sy persiana tamin’ny 25 Jolay, ny tranonkala malalaka encyclopédie Wikipédia dia nosakanana any Iran ary tsy nety nidirana.

Iran: Fanoherana maneran-tany ny fitoraham-bato

Manana ny salovan-tavany any anatin'ny gazety iraisam-pirenena ankehitriny ireo nohelohina ho faty tamin'ny alalan'ny fitoraham-bato tany Iran, Sakineh Mohammadi Ashitiani, renimpianakaviana iray 43 taona, niteraka roa, izay novonoina ho faty tamin'ny tora-bato tsy ela akory izay noho ny resaka fijangajangana.

Jadona anaty aterineto ao amin'ny Repoblika Islamikan'i Iran

Hatramin'ny taorian'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 2009, nanenjana ny fepetra faneriterena ny gazety ny repoblika islamikan'i Iran ka tadfiditra amin'izany  ireo mpitoraka blaogy sy ny sehatra fitoraham-bolongana madinika toy ny  Facebook sy twitter. Na dia efa zava-panao mahazatra ao amin'ity repoblika islamika ity aza ny faneriterena ny gazety, tamin'ity indray mitoraka...

Sina: Tantaran'ny “Visa”

Hatraiza fotsiny ny hasarotr'izany, hoy i Chen Zikun mpitoraka blaogy ao amin'ny Sina sady mpanao gazety mahaleo tena ao amin'ny lahatsorany tamin'ny 6 Aogositra, ho an'ireo mpitety tany Sinoa te-haka “visa”—ka ny valitenin'i Chen dia toa manao hoe: tsy dia sarotra loatra—ka izaràny ireo tantara momba ny “visa” ho an'ireo...

Iran : Mitokona tsy mihinan-kanina ireo gadra politika

Gadra politika 17 no nanomboka nitokona tsy nihinan-kanina tamin'ny faran'ny volana jolay hanamelohan'izy ireo ny fitondrana ratsy mihatra aminy ao amin'ny fonjan'ny Evin. Eto ny lisitra misy ny anaran'ireo mitokona. Iran dia nisambotra mpanao gazety aman-jatony maro, mpitolona ho an'ny zon'olombelona ary mpanao politika nanohitra ny vokam-pifidianana izay ho filoham-pirenena...