Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Aogositra, 2018
Fihemorana Erantany: “Ny Andalam-pandrosoana, Tsodrano Iray Vonjimaika”
Indraindray izahay tsy manana hohanina afatsy ireo makaronia nampangotrahina sy lasopy amin'ny boaty eny amin'ny mpivarotra. Amin'ity indray mitoraka ity, ny zavatra ratsy indrindra izay mety ho tonga aminay dia ny tsy fahafahanay mandeha miantsena. Tsy misy tokony hampisavoritaka izany.
Nampiseho miharihary ny fijalian'ny vondrom-piarahamonina Ahwazi vitsy an'isa ao Iran ny fahafatesan'ny zazalahy iray 12 taona
Ny famonoan-tena nataon'i Meysam no tranga mampalahelo farany indrindra niseho teo amin'ny vondrom-piarahamonina Ahwazi, mponina vitsy an'isa monina any amin'ny faritra manankarena solika any atsimon'i Iran izay miatrika fahasarotana sy fanavakavahana ataon'ny manampahefana ao amin'ny firenena.
Namily lalana tamin'ny fomba tsy ara-dalàna zotran'ny fampiasa Telegram ny orinasam-pifandraisandavitra ao Iran
Tao anatin'ny hetsika vaovao ikendrena hanerena ny fandraràna avy amin'ny fanjakana ny fampiasa fampitan-kafatra Telegram, dia nanodina vonjimaika ny zotran'ny fampiasa Telegram ny Orinasam-pifandraisandavitra ao Iran (TCI) tamin'ny 30 jolay, ary fanitsakitsahana mivantana ny lalàna ao an-toerana izany.
Horohorontany miisa 11 namely ny atsimon'i Iran
Ny Asabotsy vao maraina (tamin'ny 07 ora GMT teo), nisy horohorontany maridrefy 5,8 namely ny atsimon'i Iran, araka ny filazan'ny USGS. Noho ny halaliny 44 km, tsy nisy heverina ho faty, saingy nisy nilaza fa nisy ireo olona vitsy mety ho naratra.