Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Tantara mikasika ny Iràna

Ireo ankizy tsy manana taratasy ara-dalàna ao Iran

"Hita amin'ny tantaran'ny Repoblika Islamika ny fanavakavaham-poko sy ny antokom-pinoana vitsy an'isa ka toa niniana natao ny tsy fisian'ny fotodrafitrasa, ny tsy firaharahiana ara-toekarena ary ny halalin'ny fahantrana..."

Iran: Lahatsarin'ny fihetsiketsehana sy ny fandrehetan-dabozia

Niteraka korontana mahery vaika tsy nisy toy izany hatramin'ny Revolisiona Islamika tamin'ny taona 1979 ny fifidianana nampiadihevitra tamin'ny 12 Jona 2009 tao Iran izay namerina ny Filoha Mahmoud Ahmadinejad teo amin'ny fitondrana indray. Nitaky ny hanafoanana ny fifidianana ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitarika ny mpanohitra, Mir Hussein Mousavi.

Shina: Rahonan'ny sivana aterineto Amerikana

Andro vitsy taorian'ny kabarin'ny Sekreteram-panjakana amerikana Hillary Clinton momba ny fahalalahan'ny aterineto, nosakanan'ny SourceForge.net (fitehirizana loharano kaody tovozona malalaka)  ny fidirana amin'ny adiresy IP avy any Kiobà, Iran, Korea Avaratra, Sodana ary Syria.

Azon'ny Kamerà: Lahatsary momba ny Zon'olombelona ato amin'ny GV

Herinandro vitsivitsy miavaka ho an'ny lahatsary GV momba ny zon'olombelona iny, koa ndeha isika hiditra avy hatrany amin'izany...

Tatitry ny Mpisera: Mifantoka Amin'ny Google Sy Amin'ireo Fampiasa Fandefasana Hafatra Ireo Mpanaramaso Sinoa Mialoha Ny Tsingerintaona Faha-25 -n'ny Tiananmen

Manomboka ao Shina ny tatitra amin'ity herinandro ity izay nanakanan'ny governemanta ny fidirana amin'ireo tolotra Google rehetra misy soramiafina na tsia ampiasain'ny Google ao amin'ny firenena ary nambaran'ny governemanta ny fisian'ny vava-ady iray vaovao anatin'ny adiny hanoherana ireo "tsaho anaty tambajotra": fampiasa fandefasana hafatra amin'ny aterineto

Iran: Niverina nanohy ny asany ilay tranonkalam-baovao Ilna

(Lahatsoratra tamin'ny volana Jolay 2008) Niverina nanohy ny asany ny Ilna, Sampam-baovao Miresaka Asa Iraniana, rehefa voasivana nandritra ny volana maromaro.

Fitsidihana ny tontolon'ny bilaogy Kiorda

Ity ny herinandroko voalohany nampiasana fanangonam-baovao mba hijerena ireo bilaogy Kiorda ary tsy azoko antoka izay fahatsapako momba izany. Tena nankafy nijery bilaogy tsirairay isan-kerinandro ny ampahan'ny tenako, saingy mety ho tena mandany fotoana be izany.

Fitsidihana ny tontolon'ny bilaogy Kiorda

Tongasoa indray eto amin'ny tontolon'ny bilaogy Kiorda! Eo am-piandrasana ny fifidianana iankinan'ny hoavin'ny firenena...

Iran: Bilaogera noterena hibaboka manoloana ny fahitalavitra

Noterena hibaboka manoloana ny fahitalavitra ilay bilaogera Iraniana Hossein Ronaghi Malki araka ny filazan'ny reniny. Tany Teheran izy no manefa ny saziny 15 taona an-tranomaizina .

Iran: 20 taona an-tranomaizina, sazy tsy mbola fahita hatrizay ho an'ny bilaogera

(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2011 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Manolotra fotoana fohy ho fakana aina ny fanoratana momba ireo bilaogera Iraniana. Tsy misy fiafaràny ny tantara mampalahelo ary toa tsy mihena ny fandrahonana. Toy ny hoe tsy ampy ny famoretana sy ny sivana, fa toa miseho ihany koa ny...