
Firaisankina miaraka amin'ny vahoaka Iraniana, Bruxelles, Belzika. Sary avy amin'i Fred Petrosian. Nampiasaina nahazoana alalana.
Raha nitohy tao anatin’ny telo herinandro nisesy ny hetsi-panoherana tao Iran dia natao tany amin'ny tanàndehibe maherin'ny 150 maneran-tany ny famoriam-bahoaka ho firaisankina amin'ny tolon'ny vahoaka Iraniana ho amin'ny fahalalahana sy ny rariny, ny Sabotsy 1 Oktobra.
Anisan'ireo teny filamatra noventesina nanerana izao tontolo izao sy tany Iran ny hoe “Vehivavy, Fiainana, Fahalalahana,” “Mahsa Amini,” “Miala ny mpanao didy jadona,” ary “Tsy mila Repoblika Islamika izahay”.
Araka an'i Mahmood Amiry-Moghaddam, mpiara-manorina sady mpitondratenin'ny ONG any Norvezy Iran Human Rights (IHR), amin'ny alàlan'ny hetsi-panoherana, no ahafahan’ny Iraniana monina any ivelany mamolavola ny hevitry ny vahoaka momba ny zava-misy ao Iran ary manery ny governemantany hanohana ny vahoaka Iraniana.
Mahasarika olona marobe manerana izao tontolo izao ny famoriam-bahoaka. Nivory ho an’ny Famoriam-bahoaka ho an'ny fahafahana ho an'i Iran ny asabotsy ny mpanohana hatrany Toronto ka hatrany Tokyo.
Farany, nivoaka tamin’ny fahanginany tamin'ny Alatsinainy ny mpitarika faratampony ao Iran, Ayatollah Ali Khomeini, nanameloka ny “fikomiana” ary niampanga an'i Etazonia sy Israely ho nikononkonona ny fihetsiketsehana.
More than 50,000 Iranian protesting in #Toronto (Richmond Hill) for #MahsaAmini, 1st of October 2022. pic.twitter.com/hBpdxrhe1s
— Emad Modirzadeh, CFA (@EmadModirzadeh) October 2, 2022
Iraniana maherin'ny 50.000 no nanao fihetsiketsehana tao #Toronto (Havoana Richmond) ho an'i #MahsaAmini, 1 Oktobra 2022.
Today, Iranian diaspora across the world are taking into the streets to protest Islamic Republic regime and chant anti-regime slogans. This is Japan's Tokyo where Iranians chant “Khamenei, We Will Overthrow You!”#Iran #MahsaAmini #مهسا_امینی #IranRevolution #IranProtests2022 pic.twitter.com/3WyI4K8Cmk
— Shayan X 🏳️ (@RealShayanX) October 1, 2022
Androany, nidina an-dalambe ireo ampielezana Iraniana manerana an'izao tontolo izao hanohitra ny mpitondra Repoblika Islamika ary mihiaka ny teny filamatra manohitra ny fitondrana. Ity no ao Tokyo, Japana izay nanaovan’ny Iraniana hiakihaka hoe “Khamenei, haonganay ianao!”
Nipoitra ny fihetsiketsehana tao Iran taorian'ny nahafatesan’i Mahsa (Zhina) Amini, 22 taona, nandritra ny fihazonana azy tao amin'ny polisy ara-maoraly tao amin’ny firenena noho ny filazana fa nandika ny fitsipiky ny hijab tamin'ny 16 Septambra izy, satria hita tao ambanin'ny hijab ny ampahan'ny volony. Tsy maintsy misaron-doha avokoa ny vehivavy rehetra ao Iran raha tsy izany dia mety ho samborin’ny polisy ara-maoraly.
Ny fahafatesany no teboka iray lehibe amin'ny hetsi-panoherana Iraniana ho an'ny fahalalahana, ny fanafoanana ny tsy maintsy hanaovana saron-doha , ary ny famaranana ny didy jadona. Nitana anjara toerana lehibe indrindra tamin'ity hetsika ity ny vehivavy, nanohitra ny didy jadona tamin'ny fanesorana ny saron-dohany sy ny fandoroana izany imasom-bahoaka, nitarika famoriam-bahoaka tany Iran sy manerana izao tontolo izao sady nanohitra ny famoretan’ny polisy.
Minou Majidi was killed by regime forces during recent protests . Now, her daughter has cut her hair, standing near her mom's grave !
(Woman,life,freedom)#مهسا_امینی #مینو_مجیدی #Mahsa_Amini pic.twitter.com/ae8zBFL9UR— balout (@balootakb) October 1, 2022
Matin'ny tafiky ny fitondrana i Minou Majidi nandritra ny fihetsiketsehana vao haingana. Ankehitriny, nanapaka volo ny zanany vavy, nijoro teo akaikin'ny fasan-dreniny!
“We don’t want Islamic Republic”: young woman chants in Tehran, accentuating the chant by punching the air with a fist holding her hijab. #MahsaAmini #مهسا_امینی pic.twitter.com/IbKLq9z1jS
— Khosro Kalbasi Isfahani (@KhosroKalbasi) October 1, 2022
“Tsy mila Repoblika Islamika izahay”: hoy ny hirahiran’ny tovovavy tao Teheran, nanamafy ilay hikahiaka tamin'ny famokonana totohondry sady nihazona hijab.
Mbola mitohy ny diabe ataon’ny Iraniana eny an-dalambe sy eny amin'ny faritry ny oniversite na dia henjana aza ny fanenjehana sy ny famoretana. Araka ny voalazan'ny Iran Human Rights, farafahakeliny olona miisa 92 no matin’ny polisy Iraniana nandritra ny hetsi-panoherana, ary 41 hafa no maty tamin'ny fifandonana ny 30 Septambra tao Zahedan, ao amin'ny faritany atsimoatsinanan'i Sistan-Baluchistan, nandritra ny fanoherana ny fanolanana ilay zazavavy Baluch 15 taona, izay nahatafakatra ny isan'ny olona maty ho 133 farafahakeliny hatramin'ny 2 Oktobra 2022. Nandritra ny am-polo taonany maro, niatrika fanavakavahana henjana, fanenjehana ary didy jadona ny Baloch vitsy an'isa.
Hoy i Amiry-Moghaddam raha niantsafa tamin'ny Global Voices:
The killing of protesters in Iran, especially in Zahedan, amounts to crimes against humanity. The international community has a duty to investigate this crime and prevent further crimes from being committed by the Islamic Republic.
Mampitombo isa amin’ny heloka bevava atao amin'ny maha-olona ny famonoana mpanao fihetsiketsehana ao Iran, indrindra fa ao Zahedan. Manana adidy hanadihady ity heloka bevava ity ary hisoroka ny heloka bevava hafa ataon'ny Repoblika Islamika ny fianakaviambe iraisam-pirenena.
Hetsi-panoherana sy fifaharana ao Iran
Maro ny mpanakanto ao anatiny sy ivelan'ny firenena no naneho ny fanohanany ary namorona sanganasa manome voninahitra ny vahoaka Iraniana mihitsy aza. Shervin Hajipour, monina ao Iran, mpihira sady mpamoron-kira nanoratra hira malaza antsoina hoe “Baraye,” midika hoe “Ho an'ny” amin'ny teny Persiana, tamin'ny fampiasana sioka avy amin'ny Iraniana hafa mitsikera ny herisetran'ny fanjakana. Navoakany tao amin'ny tambajotra sosialy ilay hira avy eo. Nalaza ilay hira ary nahazo mpijery 40 tapitrisa mahery tao anatin'ny 48 ora. Nanao bemidina nisambotra azy tao an-tranony ny polisy Iraniana ny 29 Septambra.
Nandritra izany fotoana izany, tsy nahavita nanakana ny mpanao fihetsiketsehana Iraniana ny fitaovam-pamoretana tao Iran. Tanàndehibe sy oniversite maro kokoa no lasa sehatra fanoherana sy fifandonana tamin'ny Alahady 2 Oktobra, indrindra fa tao amin’ny oniversite Sharif ao Tehran. Taorian'ny nipoiran'ny lahatsary nahitana mpianatra marobe tao amin'ny oniversite Sharif toa tafahitsoka tao amin'ny toeram-piantsonan'ny fiarakodian’ny oniversite, noraofin’ny mpitandro ny filaminana, tonga tao amin'ny oniversite ny olona avy amin'ny manodidina an'i Tehran mba hanohana ireo mpianatra tafahitsoka sy hanatevin-daharana ny fihetsiketsehana.
Toa nampiseho mpianatra nandositra ny mpitandro ny filaminana, miaraka amin'ny poa-basy ny lahatsary tao amin'ny media sosialy.
The Khomeini regime is after a great massacre at Sharif_University. In Tehran, the people gathered in front of #SharifUniversity , chanting “Death to the dictator” and demanding the release of the students.#MahsaAminii#مهسا_امینی#IranProtests2022 pic.twitter.com/xmQpFOkXmB
— beybunî_ (@beybun_rojhilat) October 2, 2022
Tompon’andraikitra amin’ny famonoan’olona maro tao amin'ny Oniversite Sharif ny fitondrana Khomeini. Tany Tehran, nivory teo anoloan'ny #OniversiteSharif ny vahoaka, mihiaka hoe “Matesa ry mpanao didy jadona” ary mitaky ny famotsorana ireo mpianatra.
Oct. 2nd, 2022
Isfahan University students push the gate and break out of the university as they chant “Dead to the dictator”. #IranProtests#مهسا_امینی#MahsaAmini#IranRevolution#OpIran pic.twitter.com/17aRlppr8B
— IranProtests.com (@IranProtestsCom) October 2, 2022
Manosika ny vavahady ary mivoaka ny oniversite Isfahan ireo mpianatra sady mihirahira hoe “Matesa ry mpanao didy jadona”.
“Anyone who just watches, has no guts!” Saturday protests in Tabriz. #Iran #OpIran #MahsaAmini #IranRevolution#مهسا_امینی #اعتصابات_سراسری pic.twitter.com/1TZxXGtPZs
— IranHumanRights.org (@ICHRI) October 1, 2022
“tsy haninon-tsy haninona izay mitazam-potsiny!” Hetsi-panoherana ny Asabotsy tao Tabriz.
🎞️ Schoolgirls continue to strike alongside many university students across #Iran despite the government's severe repression. In this video, schoolgirls in #Karaj chant: “Mullahs, get lost!”⁰⁰#IranProtests2022 #Mahsa_Amini #MahsaAmini pic.twitter.com/fMJL2aJL5H
— IranWire (@IranWireEnglish) October 3, 2022
🎞️ Mitohy ny fitokonana ataon’ny mpianatra ahitana mpianatry ny oniversite maro manerana an’i #Iran na dia eo aza ny famoretana mafy ataon'ny governemanta. Ato amin'ity horonantsary ity, hoy ny ankizivavy mpianatra iray ao #Karaj nihikiaka: “Mullahs, vereza!”⁰⁰