
Raha kely indrindra, 29 no olona namoy ny ainy taorian'ny nianjeran'ny tranobe Metropol tao an-tanàndehiben'i Abadan ao Iran, izay niteraka fihetsiketsehana tany amin'ny faritra maro manerana ny firenena. Sary nampiasaina tao amin'ny Masoivohom-baovao Tasnim, Creative Commons Attribution 4.0 Lisansa Iraisam-pirenena.
Iraniana an-jatony no nidina an-dalambe tao Abadan, renivohitry ny faritanin'i Khuzestan manankarena solika any atsimo andrefana, mitaky ny rariny rehefa nianjera ny tranobe Metropol 10 rihana tamin'ny 23 Mey, nahafatesana olona miisa 29 farafahakeliny.
Nilaza ny tompon'andraikitra fa olona miisa 37 no naratra ary mbola tsy fantatra hoe firy ny olona mety ho mbola raikitra ao ambanin'ny trano nirodana raha mbola mitohy ny asa famonjena.
Nihiaka nanohitra ny “manampahefana mpanao kolikoly” sy ny “Ali Khamenei, Mpitarika Faratampon'i Iran” ireo mpanao fihetsiketsehana tao Abadan. Nihiaka ireo teny filamatra mpomba ny tarana-mpanjaka Pahlavi ihany koa ny olona sasany, mikasika ny fitondram-panjaka izay nitondra ny repoblika Islamika talohan'ny revolisiona 1979.
Thousands of Abadan residents took to the streets to protest against the incompetence of the Islamic Republic's regime after the catastrophic collapse of the #Metropol، building and chanted anti-government slogans#IranTruthpic.twitter.com/8qt4AUqJDT
— Fariba🦋 (@fariba1121) May 26, 2022
An'arivony ny mponina tao Abadan no nidina an-dalambe hanohitra ny tsy fahombiazan’ny fitondran'ny Repoblika Islamika taorian'ny lozan’ny firodanana. Tranobe #Metropol sy nihiaka ny teny filamatra manohitra ny governemanta
Maro ny mpisaona nihirahira teny filamatra hanoherana an'i Hossein Abdolbaghi, ilay mpanorina sy tompon'ny Metropol izay voalaza fa manana fifandraisana akaiky amin’ny manampahefana. Nanambara ireo manampahefana Iraniana tamin'ny voalohany fa hosamborina i Abdolbaghi, avy eo dia nitatitra izy ireo fa isan'ireo maty izy, ka nahatonga ny maro handà an'io filazan’ny manampahefana io hoe anisan’ny namoy ny ainy izy.
Tao amin'ny tambajotra sosialy, nampiseho ny mpitandro ny filaminana ao Abadan nampiasa baomba mandatsa-dranomaso sy tifitra basy hanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana ny horonantsary nalaina tamin'ny hetsi-panoherana.
In Abadan, #Iran they are shooting protesters with live bullets. They are shooting with the intent to kill as a young man is shouting “don’t shoot!”
اینها مردم هستند، تیر نزن بیشرف.pic.twitter.com/yrOEQgnvmi
— Hossein Ronaghi (@HosseinRonaghi) May 27, 2022
Ao Abadan, #Iran, mitifitra ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny bala tena izy ry zareo. Nikasa hamono izy ireo raha misy tovolahy miantsoantso hoe “aza mitifitra!”
.
استفاده از گاز اشک آور برای متفرق کردن مردم#متروپل #آبادان#گزارشگرمنوتو
…
WhatsApp/Telegram: +44 7590 899 999 pic.twitter.com/H5pm0DJg8e— اتاق خبر منوتو (@ManotoNews) May 26, 2022
Nampiasa baomba mandatsa-dranomaso tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ny mpitandro ny filaminana.
Firaisankina
Ankoatra ny hetsi-panoherana, sivily maro ihany koa no nilahatra nanome rà ho an'ireo naratra ary olom-pirenena maro avy any Abadan sy tanàna hafa no nirohotra nanampy tamin'ny ezaka famonjena.
May 27, 2022
Civilian volunteers from every corner of #Iran have come to #Abadan to help with rescue operations, after collapse of #Metropol high-rise building
Read more at https://t.co/pmVdfreIkZ #KayhanLife #ForIran pic.twitter.com/UREuiIRhfK— Kayhan Life (@KayhanLife) May 27, 2022
27 May 2022
Ireo mpilatsaka an-tsitrapo sivily avy amin'ny faritra rehetra tao #Iran tonga tany #Abadan hanampy amin'ny asa famonjena, taorian'ny fianjeran'ny #tranobe Metropol
Vakio bebe kokoa https://t.co/pmVdfreIkZ #KayhanLife #ForIran pic.twitter.com/UREuiIRhfK
Rehefa nanome baiko ny manampahefana Iraniana, anisan'izany i Ali Khamenei, ny hanaovana fanadihadiana momba ny loza sy ny fanasaziana ireo izay tompon'andraikitra, dia nisy fihetsiketsehana maro hafa ho firaisankina tamin'i Abadan natao tany amin'ny tanàndehibe hafa toa an'i Khorramshar, Shahin Shar, Ahvaz, Yazd ary Behbahan.
May 27 – Bushehr, S #Iran
Locals rallied in Bushehr in solitary with Abadan where a tower collapsed killing 24+ppl. Iranians rightfully blame the collapse on the regime. #IranProtests pic.twitter.com/a3RpzKusc8— Iran News Wire (@IranNW) May 27, 2022
Nivondrona tao Bushehr niray hina tamin'i Abadan ny mponina izay nisian’ny firodanan’ny tranobe nahafatesan’olona maherin’ny 24. Niampanga ara-drariny ny fitondrana ny Iraniana tamin’ny firodanana. #Iran Protests pic.twitter.com/a3RpzKusc8
Thousands of Protesters in Yazd have come to the streets to support Abadan.#Iran#IranProtests #متروپول_آبادان pic.twitter.com/xvuly6gp3D
— 𝐒𝐡𝐞𝐢𝐧𝐚 𝐕𝐨𝐣𝐨𝐮𝐝𝐢 (@Sheina__) May 27, 2022
An'arivony ireo mpanao fihetsiketsehana tao Yazd no nidina an-dalambe hanohana an'i Abadan.
“Valan'aretin'ny” kolikoly
Nahatonga ny alahelon'ny maro tamin'ny manampahefana ny loza noho ny tsy fijerena ireo tatitra tamin’ny fampitandremana ny amin'ny haratsian'ny fenitry ny fananganana sy ny firafitry ny trano malemy.
Nilaza ny ONG iray ao Tehran, Fikambanan’ny Injenieran’ny Fananganana ao Iran, izay manome torohevitra injeniera ary manana fifanarahana amin'ny kaominina maromaro sy ny governemantan'i Iran, fa efa nampitandrina ny kaominina momba ny loza izy ireo.
Nisarika ny saina ny tsikera imbetsaka momba ny kolikoly mikasika ny fahazoan-dàlana hanorina sy ny tetikasa fanorenana tsy miankina sy miankina amin'ny fanjakana tamin'ny fananganana indray an'i Abadan taorian'ny ady Iran-Irak, niampy ny fitarainana momba ny fomba fanamboarana ratsy kalitao.
Efa nilaza teo aloha ny iray amin'ireo manampahefana ao an-tanàndehiben'i Tehran fa manana “valan'aretin'ny” kolikoly monisipaly i Iran.
Tsy voafetra amin'ny tanàndehibe na kaominina iray ihany ny kolikoly ao Iran. Indraindray dia miharihary fa mifampiampanga ho manao kolikoly ny manampahefana Iraniana. Vao haingana, nanasongadina ny fanodinkodinam-bola 3 lavitrisa dolara ny rakipeo tafaporitsaka an'ireo manampahefana avy ao amin'ny Mpiambina Revolisionera Iraniana, izay eo ambany fahefan'i Khamenei mivantana, raha ny gazety matetika no mitatitra momba ny vola an-tapitrisany, na an'arivony tapitrisa dolara izay “very” na “nanjavona” ao anatin'ny Minisitera na banky.