Miara-dia manohana ny vehivavy ao Iran i Indonezia izay ao anatin'ny ahiahy amin'ny firongatry ny konservatisma ao aminy

Indoneziana mpanao fihetsiketsehana miakanjo Kabaya nentim-paharazana, mitazona ny sarin'i Mahsa Amini. Sary avy amin'ny YouTube Arab News

Nanomboka tamin'ny tapaky ny volana septambra, voakorontan'ny fikomiana sy ny fihetsiketsehana Iran taorian'ny nahafatesan'i Mahsa Amini, 22 taona, notazonin'ny polisy tany am-ponja. Nosamborina i Amini satria tsy nanao saron-doha araka ny tokony ho izy — fomba fanao tsy maintsy ataon'ny vehivavy ao Iran hatramin'ny Revolisiona Islamika 1979. Niteraka fihetsiketsehana maneran-tany ny fahafatesany ary niteraka adihevitra momba ny fahalalahan'ny vehivavy, ny sivana ary ny fampahorian'ny fanjakana. Tsy mahagaga raha nanakoako tao Indonezia, firenena Miozolomana be mponina indrindra maneran-tany,  izay nivelaran'ny fihetsiketsehana manohana an'i Amini, ireo vehivavy mpanao hetsi-panoherana, ary ny tolon'i Iran ireo adihevitra ireo.

Tamin'ny 18 Oktobra, nivory teo anoloan'ny masoivoho Iraniana tao Jakarta ireo Indoneziana an-jatony mpanohana, mpikambana ao amin'ny fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena, sy ireo Iraniana am-pielezana, mba hanohitra ny famoretana feno herisetra ataon'i Iran amin'ireo mpanao fihetsiketsehana, ny fampijaliana mafy ny vehivavy, ary ny fisamborana ireo mpanao gazety Iraniana. Anisan'ireo fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena nanatrika izany ireo solontena avy amin'ny Galaruwa, ny Indonesia Awakening, ny United Betawi Forum, ny Concern for the Nation People's Movement, ny Nusantara Dai Forum, ny National Dayak Traditional Community Brigade, sy ny hafa.

Nanofahofa sainam-pirenena Iraniana, ny sarin'ireo vehivavy novonoina tamin'ny famoretana, ary nanao sora-baventy mivaky hoe, “atsaharo ny famonoana olona tsy manan-tsiny” ireo mpanao fihetsiketsehana. “Any Indonezia, mbola mirindra tsara ny fivavahana sy ny foko samy hafa,” sy ny “vehivavy, fahalalahana eo amin'ny fiainana” — izay nanjary lasa tononkira malaza miverimberina ho an'ireo mpanao fihetsiketsehana maneran-tany ho fanohanana an'i Iran.

Vehivavy 10 eo ho eo nandritra ny fihetsiketsehana no nanapa-bolo ho firaisankina amin'ireo vehivavy ao Iran. Any amin'ny ankamaroan'ny Indonezia, safidy ny hanao hijab sy ny marika ara-pivavahana, afa-tsy ny faritanin'i Aceh any avaratr'i Sumatra, izay mitaky saron-doha ho an'ny vehivavy silamo.

Miantso an'i Indonezia ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpikambana amin'ny fiarahamonim-pirenena mba hampiasa ny toerany amin'ny maha-firenena misy mponina Miozolomana betsaka indrindra manerantany azy mba hanery an'i Tehran hampitsahatra ny herisetra sy ny fampahoriana. Ririn Sefsani, mpikatroka ny zon'ny vehivavy ary iray amin'ireo mpikarakara fihetsiketsehana, nilaza tamin'ny Arab News hoe:

We urge the Indonesian government to use its power as the country with the largest Muslim population in the world, so the Iranian government stops all forms of violence, including the abduction and murder of its people who are calling for reforms in Iran.

Mandrisika ny governemanta Indoneziana izahay hampiasa ny fahefany amin'ny maha firenena manana mponina Miozolomana betsaka indrindra eran'izao tontolo izao, mba hampitsaharan'ny governemanta Iraniana ny endrika herisetra rehetra, anisan'izany ny fakàna an-keriny sy famonoana ny vahoakany izay mitaky fanavaozana ao Iran.

Miantso ny hamotsorana ireo mpanao gazety izay nosamborina nandritra ny fihetsiketsehana Iran ihany koa ireo mpanao fihetsiketsehana. Andreas Harsono, iray amin'ireo mpanorina ny Alliance of Independent Journalists (AIJ) ary mpikaroka ao amin'ny Human Rights Watch Indonesia, nilaza tamin'ny Arab news hoe:

“Ho sarotra ho an'ny firenena rehetra, anisan'izany i Iran, rehefa tapenam-bava ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ary gadraina ny mpanao gazety,” hoy izy.

Tsy nanao fanehoan-kevitra ampahibemaso mankasitraka ny hetsi-panoherana eo ivelan'ny varavarany ny Masoivoho Iraniana ao Jakarta, na dia nanomboka tamin'ny tapaky ny volana septambra aza ny fikomiana, nizara tsy tapaka ireo vaovao manohana ny fanjakana natao hanamafisana ny lazan'i Iran momba ny zon'ny vehivavy sy ny momba ny lahy sy ny vavy tamin'ny alalan'ny kaonty Twitter-ny kosa ny Masoivohon'i Iran any Indonezia.

Fandrahonana ny fahafahana ao an-trano

Mampitandrina ny mpikatroka sasany fa ny firongatry ny fandàla-nentin-drazana any amin'ny faritra any Indonezia dia midika fa mety ho very ny zo manokan'ny vehivavy hisafidy ao Indonezia. Na dia noraràn'ny governemantam-pirenena aza ny fitafy ara-pivavahana tsy maintsy atao any an-tsekoly, eo amin'ny sehatra eo an-toerana, dia lasa miha-mitombo hatrany eny amin'ny sekolim-panjakana Indoneziana ny mitaky ny zazavavy hanao hijab ao an-dakilasy – na mivantana izany na amin'ny alalan'ny tsindry ara-tsosialy mahery vaika.

Donna Swita, mpikatroka ao amin'ny Ivontoerana Fanomezan-kery ny Vehivavy ao amin'ny faritanin'i Aceh any Indonezia, iray amin'ireo faritra mpandala ny nentin-drazana indrindra ao amin'ny firenena, ary hany faritra mampihatra ny lalàna Sharia, milaza fa nosamborina, nampijaliana, ary nampitahorin'ny polisy izy satria tsy nisaron-doha.

“Tsy any Aceh ihany izany fa miparitaka manerana ny firenena,” hoy izy tamin'ny Telegraph any UK.

Nitantara tamin'ny antsipirihany momba ny firongatry ny kaonservatisma sy ny fondamentalisma any Indonezia ny Tatitra tamin'ny taona 2021 nataon'ny Human Rights Watch (HRW). Ny tatitra, mitondra ny lohateny hoe, “‘Te-handositra aho’: Fitsipika ara-panamiana tafahoatra ho an'ny Vehivavy sy ny Tovovavy ao Indonezia,” dia niresaka momba ny firongatry ny kaonservatisma — indrindra any amin'ireo tanàna ambanivohitra; tranganà fanararaotana sy fanorisorenana mihatra amin'ireo vehivavy sy tovovavy izay nisafidy ny tsy hanao fitafiana ara-pivavahana na mpandala ny nentin-drazana; ary valinteny tsy mitombina avy amin'ny Filoha Joko Widodo (Jokowi) sy ny governemanta federaly.

Nosoratan'i Andreas Harsono, mpikaroka zokiolona ao amin'ny HRW Indonezia ny tatitra. Hoy ny tatitra:

Over the past two decades, women and girls in Indonesia have faced unprecedented legal and social demands to wear clothing deemed Islamic as part of broader efforts to impose the rules of Sharia, or Islamic law, in many parts of the country. These pressures have increased substantially in recent years.

Tato anatin'ny roapolo taona izao, niatrika fitakiana momba ny lalàna sy ara-tsosialy tsy mbola nisy toy izany ny vehivavy sy tovovavy ao Indonezia mba hitafy akanjo heverina ho Silamo ho ampahany amin'ny ezaka midadasika kokoa amin'ny fametrahana ny fitsipiky ny Sharia, na ny lalàna Islamika, any amin'ny faritra maro ao amin'ny firenena. Nitombo be ireo fanerena ireo tato anatin'ny taona vitsivitsy.

Toy izany koa, namoaka lahatsoratra tamin'ny 28 Septambra ny biraon'ny tonian-dahatsoratra ao amin'ny iray amin'ireo gazety malaza indrindra ao Indonezia, The Jakarta Post, ka niteraka fanahiana fa raha tsy voasakana ny firongatry ny fondamentalisma Islamika, dia mety hiatrika fandrahonana mitovy amin'i Iran i Indonezia, “Tsy nahomby anefa ny fampahalalam-baovao hampahatsiahy ny mpihaino Indoneziana fa mety hitranga ao Indonezia ny zava-mitranga ao Iran.” Nanohy nilaza izy hoe:

Indonesia, the world’s most populous Muslim country, is known as a representation of moderate Islam. But the tragedy in Iran could happen here if the state does not withstand the temptation to control the private lives of its citizens in the name of religion or ideology.

Indonezia, firenena miozolomana be mponina indrindra manerantany, dia fantatra ho fanehoana ny finoana Silamo tony fihetsika. Saingy mety hitranga eto ny loza ao Iran raha tsy mahatohitra ny fakam-panahy hifehy ny fiainana manokan'ny olom-pireneny amin'ny anaran'ny fivavahana na ny foto-pisainana ny fanjakana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.