Ilaina ny mandrindra ny fiarovana manoloana ny fisomparana miverimberina ao Balkana Andrefana

Niato noho ny fanafihana ankihy ny servisy e-Albania, manolotra dosie ofisialy ankihy (nomerika).

Nivoaka voalohany tao amin'i Faktoje.al, fikambanana iray mpanamarin-java-misy ao Albania, izay anisan'ny Western Balkans Anti-Disinformation Hub, hetsika isam-paritra miady amin'ny fandisoam-baovao ity lahatsoratra ity. Navoakan'ny Global Voices indray ny dikan-teny efa nasiam-panitsiana, rehefa nahazo alalana avy amin'izy ireo.

Nankany Bruxelles ny praiminisitr'i Albania Edi Rama hiatrika ny fihaonambe  iraisan'ny govenemanta voalohany niaraka tamin'ny Vondrona Eoropeana, tamin'ny 19 Jolay 2022, tamin'ny fotoana nitrangan'ny fanafihana an-jotra ny tranonkala sy ny tolotr'ireo andrim-panjakana, izay, araka ny filazan'ny National Agency of Information Society ho nanomboka ny tolakandron’ny zoma 15 jolay:

Tsy afaka nampiasa ireo sampan-draharaham-panjakana maro ny Albaney satria tsy nandeha ireo lohamilina lehibe. Raha nanontaniana tany Bruxelles hoe ao ambadiky ny fanafihana ve i Rosia, dia nilaza i Rama fa tsy afaka milaza izy raha tafiditra amin'ity lalao ity na tsia i Rosia. Taorian'ny fiverenana avy any Bruxelles, nanambara tamin'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ny praiminisitra Rama tamin'ny 21 Jolay fa fanjakana roa no tena ahiahiana, saingy tsy notononina anarana ireo:

“We still don't have all the evidence to determine one of the two strongly suspected countries, I hope we will do it in the future, this is the most delicate part of the investigation.”

“Mbola tsy manana ny porofo rehetra izahay hamaritana ny iray amin'ireo firenena roa ahiana mafy, manantena aho fa hamoaka izany amin'ny ho avy, ity no ampahany saro-pady indrindra amin'ny fanadihadiana.”

Nohazavain'i Rama tamin'ny volana Jolay fa voatosika ihany ny fanafihana ary, mandritra izany, niverina faobe ny servisy ho an'ny daholobe tao amin'ny sehatra e-Albania.

Nilaza tamin'i Faktojey ny manam-pahaizana momba ny fiarovana an-jotra, Besmir Semanaj fa fanafihana tsara lamina sy tohanan'ny fanjakana tsy tia an'i Albania ity. “Azo antoka fa ny dingana amin'ny fidirana amin'ny Eoropeana sy ny maha anisan'ny OTAN no iray amin'ireo antony lehibe indrindra”, hoy izy.

Efa ho roa volana taty aoriana, nilaza i Microsoft, izay nampiasain'ny governemanta Albaney hitarika ny fanadihadiana momba ny fanafihana, fa Iran no tao ambadiky ny fahafihana:

Microsoft assessed with high confidence that on July 15, 2022, actors sponsored by the Iranian government conducted a destructive cyberattack against the Albanian government, disrupting government websites and public services. At the same time, and in addition to the destructive cyberattack, MSTIC assesses that a separate Iranian state-sponsored actor leaked sensitive information that had been exfiltrated months earlier.

Nanombantombana tamim-pahatokisana fatratra i Microsoft fa tamin'ny 15 Jolay 2022, nanao fanafihana an-jotra manimba ny governemanta Albaney ireo mpisehatra tohanan'ny governemanta Iraniana, ka nanakorontana ny tranokalan'ny governemanta sy ny sampan-draharaham-panjakana. Mandritra izany fotoana izany, ankoatra ny fanafihana an-jotra manimba, manombana ny MSTIC fa nisy mpisehatra tokana tohanan'ny fanjakana Iraniana nanaporitsaka vaovao saropady ary nampodiana volana maromaro talohan'izay.

Nanome 24 ora ny mpiasan'ny masoivoho Iraniana ny governemanta Albaney, tamin'ny 7 Septambra mba hiala ny firenena noho ny fanafihana an-jotra nanomezan'izy ireo tsiny an'i Iran. Ity no tranga fantatra voalohany momba ny firenena iray nanapaka ny fifandraisana ara-diplomatika noho ny fanafihana an-jotra. Nanaja izany ny mpiasan'ny masoivoho.

Fanafihana anjotra manerana ny Balkana Andrefana

Taloha efa notafihin'ny mpijirika izay niezaka nampiato ny asa anjotran'ny andrim-panjakana ireo firenena ao amin'ny Balkans Andrefana. Tamin'ny 26 Febroary, nanambara ny Minisiteran'ny Atitany ao Kosovo fa nisy fanafihana fanjonoana hamitahana (“phishing”) miely patrana, saingy tsy nanakana ny torohay na angon-drakitra izany.

Na dia tato anatin'ny roa taona farany aza, nahitana trangana fanafihana anjotra mitsitapitapy maromaro tao Makedonia Avaratra, izay heverina ho nahitana fanafihana (DDoS)  henjana indrindra ao amin'ny firenena tamin'ny 15 Jolay 2020. Androm-pifidianana tamin'io ary niandry ny voka-pifidianana ny vahoaka. Nosakanana avy hatrany ny tranonkala ofisialin'ny Vaomieram-pifidianan'ny Fanjakana rehefa nikatona ny biraom-pifidianana rehetra. Noheverina ho olana ara-teknika madinika izany tany am-balohany, saingy tsy nahitana voka-pifidianana mihitsy na aiza na aiza tao amin'ny tranonkala, ka voatery nanambara an-tsoratra ny vaovao farany tao amin'ny fantsona YouTube ny vaomiera.

“Tsy maintsy mahatakatra isika fa amin'izao fotoana izao, dia lasa zavatra mahazatra izay tsy maintsy iainantsika isan'andro ny fanafihana anjotra. Tsy i Kosovo sy Albania ihany, fa maro amin'ireo firenena no iharan'ny fanafihana anjotra. Mety antony ara-politika hatramin'ny fandrahonana fahazoam-bola izany. “hoy ny manam-pahaizana momba ny fiarovana anjotra Besmir Semanaj.

Tao anatin'ny taona vitsivitsy lasa izay, nanao ezaka lehibe ireo firenena Balkana Andrefana mba hanamafisana ny faharetan'ny aterineto ao amin'ny faritra, hoy ny EU Cybernet, tetikasa vatsian'ny Vondrona Eoropeana ara-bola. Milaza ny The Brussels Cyber ​​​​Security Strategy for the Digital Decade (2020) fa faritra ifantohan'ny fananganana ny fahaizamanao antserasera an'ny Vondrona Eoropeana ny ao Balkana Andrefana.

Satria tanterahana amin'ny volana Jona ao Tallinn, Estonia ny Western Balkans Digital Security Forum , dia nohamafisina fa ny fitokisana amin'ny fanovana nomerika ‘ankihy) sy ny servisy elektronika dia miorina tanteraka amin'ny filaminana sy fiarovana angon-drakitra. Satria ny fandrahonana an-tserasera, araka ny mahazatra, dia zara raha mihatra amin'ny fikambanana iray isaky ny mandeha, ka lasa sarotra ny fisorohana sy ny famaliana ireo trangan-javatra an-tserasera raha tsy misy ny ekipa voatokana manana fitaovana sy dingana mety.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.