Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Aogositra, 2016
Ankehitriny, Ampangain'i Maosko i Okraina Hoe Mandefa Mpampihorohoro Ao Krimea. Nolazaina Izany Ireo Mpampiasa Aterineto Rosiana.

Niandry teo amin'ny telo andro teo ireo Rosiana tomponandraikitra vao nampahafantatra ny daholobe momba io tantara io. Nisy tatitra tsy voamarina anefa tany aloha, nahitàna ireo teboka rehetra tamin'ny taratasy fifandraisana navoakan'ny Minisiteran'ny Atitany Rosiana any Krimea.
Ny Antony Itiavan'ireo Rosiana Mpisera Facebook An'i Donald Trump

Maneho ny fomba fijeriny momba an'i Donald Trump ireo Rosiana mpisehatra politika ety anaty media sosialy. Ny ankamaroany, toy ny tena akaiky kokoa an-dralehilahy io ry zareo-- noho ny antony maro samihafa mihitsy.
Lahatsary Fanadihadiana Mampiseho Ireo Mpianatra Makedoniana Miaina Anaty Trano Ratsy Na dia Teo Aza Ny Fampanantenan'ny Governemanta
"Sary isan'andron'ny mpianatra tsy avy ao an-drenivohitra sy tsy manam-bola handoavana hofa-trano ity horonantsary ity."
Niteraka Sary Namboarina Mahatsikaiky Ireo Mpanao Politika Serba Roa Miara-Mitaingina Moto
"Ny hany zavatra tsara amin'i Dačić sy Palma eo ambonin'ny moto dia i Dačić sy Palma eo ambonin'ny moto eny amin'ny habakabaka. Miaraka amin'ny lazera."
Milisy Sivily Nofanin'i Rosia “Vonona Hiady Amin'ireo Mpitsoaponenana” Any Amin'ny Sisintany Iraisany Amin'i Bolgaria

Fanehoana lehibe ny fitomboan'ny tsy fitiavana vahiny any Bolgaria ny fisian'ireo milisy sivily mpihaza mpitsoaponenana manamorona ny sisintanin'ny firenena . Hatreto, mangina tanteraka mikasika ilay olana ireo manampahefana.
Ny Tanambokovoko Swastikas Sy Vetaveta, Na: Ny Fomba Nianaran'ny Polisy Rosiana Tsy Ho Be Fanahiana Sy Hitia Mamoritra Ny Aterineto

Araka ny voalazan'ny fitsaràna iray ao Rostov, te-hahazo fisondrotana amin'ny asany sy hahazo tambin-karama amboniny i Eliseev tamin'ny alalan'ny fisandohana "asa fanarahana maso nandany fotoana be" tamin'ny fanendrikendrehana lehilahy iray ho mahery fihetsika.