Nalaza manerana ny media sosialy ny sarin'ireo mpanao politika Serba roa miara-mitaingina moto
Namoaka ny ambangovangon'ny zavamisy ny vavahadin-tserasera Nova energija (“Angovo Vaovao”) :
Dva prijatelja na motoru, rekli bismo uobičajena letnja fotka sa vrelog asfalta. Međutim, kada su u pitanju ova dva prijatelja, to više nije uobičajena fotografija.
Ivica Dačić, ministar inostranih poslova Srbije i Dragan Marković Palma, [bivši] gradonačelnik Jagodine, uslikani su na motoru, a fotografija, za sada nepoznatog izvora, kruži Facebookom već danima.
Naravno, kako to obično biva, malo joj je trebalo da postane meme. Na sajtu 9gag.com, a i širom Facebooka, Dačić i Palma ubačeni su u različite situacije, od Pokemon Go igrice do serije Game of Thrones i vožnje zmajevima.
Te haka sary mahazatra amin'ny fahavaratra miaraka amin'ny tara (godorao) vao mafana ireo mpinamana roa. Na izany aza, raha misy olona mihevitra hoe iza ireo mpinamana roa ireo, dia lasa tsy mahazatra mihitsy ny sary.
Nivezivezy tao amin'ny Facebook hatramin'izao ny sary avy amin'ny loharano tsy fantatra, izay mampiseho an'i Ivica Dačić, minisitry ny raharahambahiny ao Serbia, sy Dragan Marković Palma, ben'ny tanànan'i Jagodina teo aloha.
Nampiasaina ho lasitry ny sary-sy-soratra izany avy eo. Tao amin'ny tranonkala 9gag.com, sy manerana ny facebook, mandeha moto manavatsava toe-javatra samihafa i Dačić sy Palma, manomboka amin'ny Pokemon Go hatramin'ny Game of Thrones, ary ao koa ny fitaingenana dragona.
Hita avy hatrany tao amin'ny Facebook sy Twitter hatramin'ny pejin'ny tranonkalam-baovao ireo sary-sy-soratra isan-karazany.
The Internet exploded with photo shops of our local politicians riding a bike.https://t.co/KTFPudnnEe
DAČIĆ I PALMA ISKOČILI I NA @9GAG— Kamiondzija ♐ (@KoleMali) July 27, 2016
Feno sary namboarina ahitana ireo mpanao politika ao an-toerana mitaingina moto ny aterineto
Mpiara-dia ara-politika i Ivica Dačić, filohan'ny Antoko Sosialista ao Serbia, sy Dragan Marković Palma, mpikambana ao amin'ny parlemanta sy lehiben'ny Antoko Tafarain'i Serbia. Nilaza i Palma vao haingana fa kandidàn'ny Antoko Mpiara-dia ho filoham-pirenena i Dačić amin'ny fifidianana 2017.
DAČIĆ I PALMA SRUŠILI INTERNET! Urnebesne meme koje teraju suze na oči! (FOTO) https://t.co/KhiEvl13Ja
— Telegraf (@telegrafrs) July 27, 2016
Nameno ny aterineto i Dačić sy Palma! Sary-sy-soratra mahatsikaiky handatsa-dranomaso anao! (Sary)
Jedina bolja stvar od Dačića i Palme na mopedu jesu Dačić i Palma na mopedu u svemiru. Sa laserima. pic.twitter.com/SmnT9g5nQw
— Sajber 浪人 Vanderlast (@CyberWanderlust) July 26, 2016
Ny hany zavatra tsara kokoa noho i Dačić sy i Palma eo ambonin'ny moto dia i Dačić sy Palma eo ambonin'ny moto eny amin'ny habakabaka. Miaraka amin'ny (taratra) lazera.
Mpisera Twitter @slonoxy nanamora izany mihitsy ho an'ireo misandratra amin'ny sary-sy-soratra:
Ukoliko želite da pravite Dačić/Palma fotomontaže, evo ga layer sa transparentnom pozadinom. https://t.co/yaUx25NrWG pic.twitter.com/oswGrOnAP7
— Alesandro Simić (@slonoxy) July 27, 2016
Raha te hanamboatra ny sarin'i Dačić/Palma ianao, ity soson-tsary miaraka amin'ny lasitra (tokotaniny) mangarahara.