· Septambra, 2017

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Septambra, 2017

Mampifanohy ny Elanelana Ara-teknolojia Eto Afrika

  19 Septambra 2017

Nisarika ny saiko vao haingana ny tetikasa miisa roa samihafa natao hampifandraisana ny "elanelana nomerika" eto Afrika. Nieritreritra ny hanasongadina fotsiny ihany ny tetikasa miaraka amin'ny famintinana fohy sy ny rohy mankany amin'ny tranonkalany aho.

Manapariaka Ny Bilaogy Aty Afrika Amin'ny Alàlan'ny Onjampeo

  16 Septambra 2017

Mety miahiahy angamba ny mpihaino sasany  - "be pitsony loatra ny famahanana bilaogy ... aiza ny fahafahana hifandraisana, mbola lafo vidy ny aterineto, " izany no fanehoan-kevitry ny mpihaino iray - kanefa mampiseho ny fandaharan'ny Onjampeo BBC World Tambajotra Afrika fa zava-misy ary anisan'ny miroborobo ny famahanana bilaogy eto Afrika .

Ry Tontolo, Ndeha Hihaona amin'i Afrika! Fomba Iray Vaovao Hitantarana Ny Tanibe

  06 Septambra 2017

Mahakivy matetika ny mamaky ireo fitantaràna an'i Afrika any anaty media mahazatra. Amin'ny lafiny roa, raha ny marina. Voalohany indrindra, izay faritana ho mendritra hanaovana tatitra, dia tena mahakivy. Faharoa manaraka izany, satria tsy dia mirona loatra amin'ny tena zava-misy sarotra sy manetsiketsika ao amin'ilay tanibe, amin'ny fidadasiky ny fahasamihafana rehetra misy ao aminy, fa aleony miresaka an'ireo fitsaratsaram-poana tsotsotra fotsiny.

Shily: Fivoriana Amin'ny Fisainana Mpanombo-Draharaha Ihariana

  04 Septambra 2017

Notontosaina tamin'ny fiandohan'ny taona (2007) tao Santiago ny Webprendedor, fihaonan'ny mpanombo-draharaha sy ireo liana te-hahafantatra ny fanaovana izany. Tsy resaka teknika loatra ny fampianarana, fa nifantoka kokoa amin'ny vinam-pihariana, fikarakarana ny mpanjifa, ary ny fomba fanangonana famatsiam-bola. Nanoratra ny zava-natrehiny tamin'izany ny bilaogera.