Mampifanohy ny Elanelana Ara-teknolojia Eto Afrika

(Marihina fa tamin'ny 6 Aprily 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Nisarika ny saiko vao haingana ny tetikasa miisa roa samihafa natao hampifandraisana ny “elanelana nomerika” eto Afrika. Nieritreritra ny hanasongadina fotsiny ihany ny tetikasa miaraka amin'ny famintinana fohy sy ny rohy mankany amin'ny tranonkalany aho.

Mlogik
mlogikTetikasa Afrikana vaovao mamolavola sy mivarotra tolotra finday nampian-tsanda mampiasa teknolojia malalaka open source ny Mlogik. Raha manana ny foibeny ao Maorisy izy dia ny hanitatra ny tambajotrany manerana an'i Afrika ny faran'ny taona 2006 no tanjon'i Mlogik.

Ndiyo!
Nivo - by NdiyoNy Ndiyo! dia tetikasa iray natao hanohanana ny fomba fitantanana ny tambajotran'ny solosaina tsotra, mora, misokatra, tsy manimba ny tontolo iainana ary tsy miankina amin'ny fanohanana ara-teknika matanjaka avy amin'ny tambajotran'ny teknolojia misy ankehitriny. Manana lahatsary tena mahaliana izy ireo, izay manazava ny zavatra tena hain'izy ireo.

Mobile for Good
Mobile 4 GoodTetikasa sosialy ara-barotra natao hampiasana ny teknolojian'ny finday mba hanalefahana ny fahantrana sy hanatsarana ny fiainan'ny vahoaka any amin'ny tontolo an-dalam-pandrosoana ny Mobile for Good (M4G). Manome ny votoaty momba ny fahasalamana, ny asa ary ny vondrom-piarahamonina amin'ny alàlan'ny Somaiso (SMS) amin'ny finday izany mba hampahafantarana sy hankaherezana ireo olona sahirana.

Manobi
Mpamokatra, mpanelanelana, mpivarotra ary mpitantana trano fandraisam-bahiny maherin'ny 3400 no mandray amin'ny alàlan'ny finday isan'andro, ny Somaiso (SMS) maimaim-poana manondro ny vidin'ny vokatra tadiaviny any amin'ny tsena voafantina.

Ny vaovao tsara dia mbola ny sasantsasany amin'ireo tetikasa norafetina ihany ireo. Ary maneho ny habetsahan'ny asa goavana vitan'ny olona tsirairay, izay ao amin'ny ONG sy ao amin'ny orinasa tsy miankina ihany koa, mba hitondrana ny Afrikanina isan'andro any amin'ny vanim-potoana nomerika. Ho hitanao fa hahazo tombontsoa amin'ny fampiasana ny finday amin'ny ankapobeny ny ankamaroan'ireo orinasa ireo toy ny sehatry ny fifandraisana izay tranga iray azo antoka fa hitombo amin'ny taona hoavy rehetra.

PlayPlay

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.